Politique

Richard Razafy Rakotofiringa Kandidà nijaikojaiko teny amin`ny HCC


  • Alakamisy 16 Aogositra 2018

Hatairana ny an`ny mpanao gazety tonga teny amin`ny HCC omaly raha nahita fiara iray nitondra olona milaza fa hametraka antontan-taratasy maha kandidà azy taorianakelin’ny fahalasan`ny kandidà iray vao avy nanatitra izany.

Olona vaovao tsy dia fahita firy eo amin`ny tontolo politika i Richard Razafy Rakotofiringa. Manana vina amin`ny fampandrosoana ny firenena ity miaramila misotro ronono sy mpampianatra ity izay miompana amin`ny fireharehana amin`ny maha malagasy (fierte d`appurtenance). Araka ny nambaran`i Richard Razafy Rakotofiringa, tsy maintsy miainga amin`ny hetahetan`ny vahoaka ny programa fa tsy eny ambony latabatra akory. Betsaka ny kandidà manana programan`asa saingy mila resy lahatra ny vahoaka ary anisan`izany ny fanorenana ifotony fa ny fototra hiaingana dia izay fireharehana amin`ny maha Malagasy. Tena miaina an`izany tokoa ve ny Malagasy ? Raha tsy eo izany fahasarota-piaro izany dia misy sakana any amin`ny tsirairay. Tokony hanana herijika ny vahoaka ary tokony ho tsapany fa kosa mila mpitondra manentana azy. Na dia nijaikojaiko aza ity kandidà atosiky ny SJIAM (solidaritè des jeunes intellectuels pour l`avenir de Madagascar) ity nanatitra ireo antontan-taratasy teny amin`ny HCC dia vonona hiatrika ny fifidianana ny tenany ary nohamarininy fa ny vahoaka miandry olom-baovao ary aleo andeha ny lalao. Hatramin`ny omaly hariva, tafakatra 12 ireo mpifaninana voasoratra ao amin`ny tranonkalan`ny HCC. Mbola lavitra kosa ny elanelan`isa eo amin`ireo kandidà nanambara fa hirotsaka hofidiana miohatra amin`ireo efa nametraka ny antontan-taratasy teny amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mbola manana dimy andro ireo mpifaninana hafa raha tapa-kevitra.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT