Mahatsiaro ary manome voninahitra hatrany ny andron’ny 11 feboary namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava ny zandarimariam-pirenena, ary dia nisy omaly teny Ambohijatovo ambony ny fanompoam-pivavahana sy fametrahana fehezam-boninkazo natao
. Nanatrika izany ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenana sy ireo olo-manankaja sivily sy miaramila. Tsiahivina fa ny Kolonely Richard Ratsimandrava dia maty enina andro taorian’ny nanolorana azy ny fahefana. Tamin’ny 8 ora alina no voatifitra teo Ambohijatovo ambony ny fiarany ny 11 febroary 1975, avy nanatrika filankevitry ny minisitra teny Anosy izy tamin’io fotoana io. Nampahatsiahy ny tantara ihany koa ny jeneraly François Rodin Rakoto, komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena fa manamboninahitra malagasy voalohany nandray ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena ny kolonely Ratsimandrava, ary maodely ho an’ny zandary malagasy tamin’ny fomba fiasa. Maro moa no resy lahatra fa nisy ambadika politika avo lenta ny famonoana ity manamboninahitra zandary sahy nijoro sy niaro ny malagasy ity, ary olona ambony manana ny maha izy azy tamin’izany fotoana (1975) no tao ambadiky ny famonoana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.