Politique

Revolisionina namotika taty Afrika Manomboka tonga saina ireo firenena sasany


  • Alarobia 16 Janoary 2019

Nifanesy ireo karazana Revolisionina taty Afrika tany amin’ny 10 taona lasa na latsaka kely tany ho any.

 

 

 Naongana ny fanjakana Marc Ravalomanana teto Madagasikara ny taona 2009 satria nolazaina fa jadona ny tenany. Ho feno 10 taona katroka amin’ny 26 janoary izao ilay alatsinainy mainty nisian’ny fandrobana sy fandorana orinasa maro be teto Antananarivo. Potika na ara-politika na toekarena na sosialy,… ny firenena ka tsy voarina mandrak’androany ny fahapotehana. Tsy ho tahaka izao ny firenentsika, raha tsy nisy an’ireny. Feno  8 taona katroka omaly 14 janoary ny Revolisionina  nanongana ny Filoha Tonizianina teo aloha Ben Ali, izay nolazaina fa jadona. Valo  taona aty aoriana anefa, dia vao mainka midangana ny vidim-piainana, ao anaty krizy ny firenena, hany ka ireo tanora aza dia mitady hevitra hifindra monina any amin’ny firenen-kafa. Nolazaina fa manao didy jadona ny Kolonely Mouammar Kadhafi, izay tsara fifandraisana tamin’ny filoha Frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, ary nalaza ho namatsy vola tamin’ny propagandin’ity farany aza tamin’ny 2007. Nisy ny revolisionina nentina nanongana azy ny taona 2011, nampian’ny firenen-dehibe vitsivitsy. Notafihina sy nodarohana baomba i Lybie, ary natao tahaka ny namono biby ny filohany ka  nandray anjara ny Frantsay. Potika tanteraka mandrak’androany i Lybie, nefa niadana sy niaina ny vahoaka tamin’ny andron’ilay filoha nolazaina fa jadona. Ny lesona azo tsoahina, tsy nahavita betsaka noho ilay nambara fa nanao jadona ny mpanongana, ary namotika fa tsy nampitraka firenena ilay Revolisionina izay saika misy firenen-dehibe ao ambadika. Nanomboka Nifoha ireo firenena sasany, tahaka an’i Rwanda tsy nanaiky nampiadiana intsony. Nahasahy nandray fanapahan-kevitra nanafoana ny fifidianana feno ahiahy ny HCC tany Kenya. Nahavita namaly bontana ny filoha voalaza fa nandresy tany RD Congo  Félix Tshisekedi, rehefa nokianin’ny Frantsay sy tsy ekeny ny fahalaniany. Volanay madiodio no nikarakaranay ny fifidianana ary tsy misy hidiranareo, fa ny “gilets jaunes” mitokona handaniana ron-doha, hoy ity farany. Omaly dia nivoaka ny didin’ny Fitsarana Iraisam-pirenena (CPI) manafaka ny Filoha Ivorianina teo aloha Laurent Gbagbo izay nogadraina taorian’ny korontana ara-pifidianana ny taona 2010, ka isan’ny niditra lalina ny Frantsay tamin’izany. Manomboka mifoha sy tonga saina ny Afrikanina sasany izay ezahina korontanina rehefa tsy manaiky baiko.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT