Miara-miaiky ny maha zava-doza ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny 2009 ankehitriny ny ankamaroan’ny Malagasy. Tena niesona, araka ny fomba fitenin’ny tanora, avokoa ireo nanantena ilay fanovana nentin’ny mpitarika ny revolisionina lokom-boasary enin-taona lasa izay.
Nambara ankalamanjana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ohatra ny fampidinana ho 500 ariary ny vary iray kilao sy ho 2.000 ariary ny litatry ny menaka. Nanenjehana ny fitondrana Ravalomanana ihany koa ny famarotana tany amin’ny vahiny. Nodradradradraina ny fampifangaroan’ny filohan’ny Repoblika ny fitantanana ny firenena sy ny orinasam-pianakaviana. Notsikeraina sy noharatsiana avokoa ireo fihetsika nentin’ny filoha Ravalomanana Marc nitondrana ny firenena. Tsy vitan’izay fa nofafana teo anivon’ny fiarahamonina malagasy ireo anjara biriky fampandrosoana notanterahana nanomboka tamin’ny taona 2002. Fomba iray nanehoan’ny ekipan-dRajoelina izany ny fanapotehana ny haino aman-jerim-bahoaka sy ireo orinasa fananan’ireo mpiray tanindrazana maromaro manerana ny nosy. Raha tsorina dia nisafidy ny fandikan-dalàna sy fampiasan-kery ireo mpanongam-panjakana hanalana ny mpitondra voafidim-bahoaka. Nisongadina rahateo ireo voambolana roa ireo nandritra ny 5 taona naharetan’ny tetezamita tari-tokana. Mbola niampy zavatra hafa anefa ireo toy ny fitantanana gaboraraka, ny fanamparam-pahefana, ny fahazoan’ny kolikoly laka, ny ramatahora … Efa miverina amin’ny fitondrana manaraka ny Lalàmpanorenana isika izao, izany hoe manomboka manarina ireo fahavoazana ka voalohany amin’izany ny fanovana toe-tsaina. Mampalahelo anefa fa toa mitady hiverina ihany koa ireo fomba fitondran-tena mamohehatra nampiana-dratsy ny Malagasy nanapotika ny firenena nentin’ireo mpanao politika mpikaraman’ady mihevitra ny tenany ho tompon’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.