Politique

Réverend Andrianalijohn Fampihavanam-pirenena tsy manavaka no ilaina


  • Alakamisy 20 Novambra 2014

Matoky ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara amin’ny asa masina goavana sahaniny ahatongavana amin’ny tena fampihavanam-pirenena ny Réverend Andrianalijohn «Satrobory».

Nahavelom-bolo ity solontenan’ny fiangonana Kimbaguiste eto Madagasikara ity ny zava-nitranga nandritra ny fiaraha-mivavaka notarihan’ny FFKM ny alahady lasa teo. Fandresehan-dahatra lehibe hoan’ny mpitondra fanjakana, mpanao politika ary ny vahoaka Malagasy ny hafatra mafonja miampy fananarana nentin’ny arsevekan’Antananarivo ny monsenera Odon Razanakolona, araka ny fanazavany. Afaka mihavana tsy misy olana tsara ny mpanao politika Malagasy raha manao ho ambony ny tombontsoan’ireo mpiray tanindrazana 22 tapitrisa mahery fa tsy baikon’ny fitadiavan-tseza, hoy ny mpitarika ny antoko AMF/3FM. Hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara raha manapa-kevitra ny hanova ny Lalàna Fototra ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina. Tokony hatsangana ny Antenimiera mpandinika ny Lalàmpanorenana ary homena safidy malalaka ny vahoaka amin’ny foto-kevitra tiany hitantanana ny firenena. Aminy dia hanamora tanteraka ny fampihavanam-pirenena ny fampanjakana ny fampitoviana lavitry ny fanavakavahana eo amin’ny samy Malagasy.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

Hijery ny tohiny
FTT