Politique

Révérand Satrobory Tsy azo ekena ho lasan’ny vahiny ny tanintsika


  • Zoma 27 Martsa 2015

Tena nankasitrahako ilay teny nambaran’ny gazety hoe : manina ny tongolon’i Egypta ny tenako, hoy ny Révérand Satrobory, satria mbola tsaroana mandrak’ity ny androany izany zava-bitan’ny Repoblika voalohany nentin’ny filoha Philibert Tsiranana izany, nefa soketaina tamin’ny hoe resaka fanagasiana ny fampianarana sy ny « Tsak… tsak 100 arivo » izy ary koa nalentika tao an-tsain’ny ankizy fa raiamandreny mpamono taranaka ka naongana tamin’ny toerany tamin’ny taona 1972.

 

 Efa nasehony nivantana tany amin’ny tsenan’i Mahajanga tamin’ny alalan’ny fitondrana harona loa-body ka nahavery sasaka ny vary nentiny tao anatiny izany tamin’ny fotoanandrony ka nilazany tamin’ireo nahita fa loaka ny haronao prezidà, fa tsy misy dikany ny vary raraka sy very an-dalana fa ho taratry ny fanenenanareo rahatrizay. Tsy nandingana ela akory fa vao nitsidika ny Repoblika faha-2 dia nilaha-bary vao mangiran-dratsy ny vahoaka vao nihinana raha tsy efa tapitry ny risoriso ny tokony ho nozaraina ka niahaka fotsiny teo. Nihanitombo mandraka ankehitriny ny halatra bevava eto amin’ny firenena, ny asan-dahalo sy jiolahy samy mirongo fiadiana izay tsy fantatra ny tena fivoahany avy any an-dakakazery tany. Ny tena moa dia mpitarika ny tanora PSD tamin’ny fotoanandrony, nianatra tany Frantsa sy Rosia ary saika efa nahatety ny tany Afrikanina maro ka sahy manambara ankehitriny fa tokony hasiana fanovana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 ary haverina ny toe-tsaina fampihavanam-pirenena nanjaka tamin’izany Repoblika voalohany izany fa halavirina ny toe-tsaina politika nanjaka tamin’ny Repoblika faha-2 ka nitsanganan’antoko maro noho ny nahatafiditra CSR izay nitarika azy. Tena sarobidy io fampihavanana io ka hisaorana etoana ny FFKM sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina mitarika ny hahatontosana izany. Tena mampirisika handala izany ny zava-nisy teto amin’ny firenena tao ho ao fa tsy tongatonga ho azy ireny sahona sy valala niaka-dapa ary kere sy loza voajanahary toy ny rano miakatra sy fihotsahan’ny tany ireny. Fa tsy ho ekena ho lasan’ny sinoa sy karana ary hanjakan’ny Frantsay na oviana na oviana ity tanintsika ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT