Mbola manao angoatenda ny amin’ny fanembonany hatrany ny tongolon’i Egypta na ny Repoblika voalohany i reverend Satrobory ary miantso hatrany koa ny fitondrana hanatanteraka ny fifidianana ifotony dia ny filoham-pokontany.
Nanao antso avo tamin’ny fitondrana misy amin’izao ny tenako ary mbola hamafisiko ihany fa ny fanoloana an’ireo prezidam-pokontany izay notendritendrena fahatany tamin’ny andron’ny tetezamita no vahaolana, hoy izy. Tsy maintsy hanatanteraka izay baikon’ny nanendry azy izy ireo ka raha tiana ho tena hangarahara io fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna voizina mafy io dia ireo aloha no tokony hosoloina haingana. Voatery manao kolikoly ry zareo satria nilaza fa tsy nandray karama am-bolana maro, hono. Amiko ny mahamaika dia ny fanoloana ireo sefom-pokontany ireo, soloina filoham-pokontany voafidim-bahoaka. Amiko dia rariny raha miverina amin’ny fototry ny Repobika voalohany isika izay nahamamy hoditra ny filoha Philibert Tsiranana. Tokony haverina ireo kaompania lehibe sy ny kaoperativa nandefasana ny tenanay tany Moscou sy Israely fa fototry ny fandrosoan’ny teokarena malagasy. Ireo nihogahoga ny fanagasiana nanonganana io Repoblika voalohany io moa izao efa latsa-nenina fa efa nodradraina hatramin’ny Repoblika faharoa ny fiverenana miteny frantsay mandrak’izao ary dia nahitam-pahoriana aza ny filaharam-bary sy ny didy jadona ary niakatra ny fitondrana mihitsy ny fanaparam-pahefana sy ny fanjakan-dahalo na an-tsaha na ambony latabatra. Manao antso avo ny tenako, hoy ny révérand Satrobory fa tsy ilana vahiny toy ny Karana sy Sinoa ary Frantsay ny fampandrosoana marina ity firenena ity fa vitan’ny Malagasy raha misy ny finiavana sy firaisankina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.