Politique

Révérand Satrobory Ny ain’ny mponina no mahamaika fa tsy ny fifidianana …


  • Alarobia 04 Febroary 2015

Mankahery ireo tra-boina manerana ny Nosy ary miara ory amin’ireo nanana havana namoy ny ainy izahay Amf/3fm hoy ny filohany Révérand Satrobory noho ny nafitsoky ny rivo-doza Chedza farany teo. Ankehitriny indray dia mbola ahiana ny loza amin’atambo hiseho eto amin’ny firenena noho ny fijojon’ny orana tsy an-kijanona tato ho ato izay mbola ambaran’ny mpamantatra ny toetrandro fa tsy hijanona mihitsy raha tsy amin’ny faran’ity herinandro ity

. Azo ambara, hoy ny révérand Satrobory fa ao anatin’ilay 7 andro hisian’ny orana tsy miato isika ankehitriny izay tsy dia fantatry ny tanora loatra ny fisiany. Mahalasa eritreritra, hoy ity mpanao politika ity, fa eto Antananarivo-Renivohitra aza dia efa miasa ny sarety sy lakana ampitana ny mponina hody any an-tokantranony noho ny fiakaran’ny rano. Eto indrindra izahay no manaitra ny sain’ny mpitondra fanjakana handray fepetra amin’ny antony mahatonga an’ity fitohanan’ny rano eto Iarivo ity na inona mety filazana ny antony na inona. Azo  hapoaka, hoy izy, ny vato misakana ny fikorinan’ny rano any Farahantsana  raha ilaina. Mino izahay, hoy ny révérand Satrobory fa ny fahasahian’ny governemanta tarihan’ny praiministra vaovao mandray andraikitra dia famonjena aim-bahoaka ka tsy hiandrasana fotoana indray fa tokony ho tanterahana haingana. Ho tsarohan’ny vahoaka mantsy ny filazana nataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao nanambara fa hiezaka izy ireo amin’ny fampandrosoana haingana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Rariny raha nahita tamin’ny fahitalavitra isika fa maro ireo firenena nahatsinjo ny fahasahiranantsika ka nanatona ny filoham-pirenena malagasy tamin’ny fivoriana tany Addis Abeba teo. Isika indray ve no tsy hahalala ny fiakaran’ny rano misy ankehitriny ? ny fisian’ny kere any Atsimon’ny Nosy ? Raha tiana ny hahatanteraka ny fampihavanam-pirenena efa mandeha ankehitriny, hoy ny filohan’ny Amf/3fm, dia tokony ny ain’ny vahoaka no jeren’ny mpitondra sy mpanao politika fa tsy ny fifidianana ho avy mbola any amin’ny volana jolay no hanatanterahana azy.

Ntsoavina Evariste

SARY : Révérand Satrobory

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT