Tao anatin’ny herinandro naninjitra izay dia niezaka niseho tamin’ny fahitalavitra maromaro teto amin’ny firenena ireo nanan-kolazaina tamin’ny fihaonambe teny Ivato mikasika ny fampihavanam-pirenena. Nisy tamin’izy ireo niezaka nandresy lahatra, dia ireo matahotra ho very seza. Niezaka izy ireo nanambara ny tsy naha ara-dalŕna ny fehinkevitra ary nisy mihitsy nahasahy nilaza fa izahay Ct sy Cst no tena nanolotra an’iny fehin-kevitra iny. Tsy nisalasala ity filohan’ny Amf/3fm ity nilaza fa ireo
solombavambahoaka izay hitam-poko hitam-pirenena ny zavatra nataony amin’ny fikatsahana tombontsoa manokana (4x4 lafo vidy be) sy ny fomba fanaony nandritra ireny fivoriana ara-potoana natrehany ireny no tena matahotra ny sezany ho very ka miaro fatratra izany. Dia nisy mihitsy aza ny olona hafa vao avy nomen’ny filoham-pirenena seza no nahasahy nilaza fa hiala amin’ny toerany izy raha misy fanatanterahana ny fanafahana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Hatramin’izao anefa mbola mifikitra amin’ny sezany izy io na dia efa tanteraka aza ny fahafahan’ilay olona nambarany. Ka inona moa no nandrasana tamin’iny fikaonan-doha iny fa tsy ny fampihavanana ny malagasy ve ? Heveriko fa tsy hevitra mpanao politika mendrika izany manohitra fanapahan-kevitry ny “Patron” nanome seza anao izany. Ilay fanapahan-kevitry ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay nahafaly ny mpizaika anefa dia mbola nohamafisin’ny filankevitry ny minisitra fotoana fohy taorian’izay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.