Tokony haverina ny fomba fiasa tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany izay hita fa tsara sy nahomby teo amin’ny fanorenana ireny Cité teny Itaosy sy teny Ambodin’Isotry ireny rehefa lasa ny tondra-drano tamin’ny taona 1959, hoy ny Réverand Andrianalijohn Ndriamanampy na Satrobory izay filohan’ny fikambanana tanoran’ny antoko PSD tamin’ny fotoanandrony.
Tamin’izany Repoboka voalohany izany koa, hoy izy, dia tsy nanaiky nifandray tamin’ny Sinoa mihitsy ny filoha Tsiranana Philibert, fa efa tsinjony fa ho difotry ny hamaroan’izy ireo isika any aoriana. Raha tsorina dia tena manina ny tongolon’i Egypta ity mpanao politika filoha mpanorina ny AMF/3FM ity noho ny fitavozavozan’ny mpitondra amin’ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena amin’ny fisian’ireo tra-boina noho ny rano tondraka eny amin’ny Faritra iva sy ny kere misy any atsimo any. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny tenako, hoy izy, mba tena hijery akaiky ny zava-misy eto amintsika ankehitriny fa mba ho aiza no hiafaran’ny taranaka malagasy raha ho lasan’ny vahiny (Sinoa sy sy Karana ary Frantsay) daholo atsy ho atsy ny tanin-drazantsika ? Izahay AMF/3FM, hoy i Satrobory, dia manahy ny hiverenan’ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009 satria efa misy indray izao filohana antoko politika lasa mikononkon-javatra miaraka amin’ny Frantsay any Parisy izay tsy nisy tsy nahalala fa avy any no ati-dohan’ny fanonganam-panjakana nisy teto amintsika tamin’ny 2009 iny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.