Tsy mbola nahita izany “Mémorandum” sy lisitra fanaovan-tsonia fifanarahana izany izahay depiote Mapar, hoy ny solombavambahoaka Mamod Ali Hawel voafidy tany Morondava.
Ny filohan’ny Antenimieram-pirenena aza raha sendra nanontaniana teto dia nilaza fa tsy misy an’izany ao aminy. Raha ny amin’ny resaka fanaovana tatitra nanontanianao dia tsotra ny valiny : ataon’ny vahoakan’i Morondava izay mijaly amin’ny lafiny rehetra (fihariana, sakafo, delestazy, fandriampahalemana …) ahoana moa no hihaino izay tatitra hataonao eo ? Ny fahasahiranany aza manempotra azy. Sempotra amin’ny tsy fandehanan’ny fizahantany izay anisan’ny fototry ny fihariana any amin’ity distrika ity noho ny hafitsoky ny delestazy ny mponina. Miankina amin’ny jiro avokoa mantsy ny ampaham-piainany iray manontolo. Mampanantena ny mponin’i Morondava kosa ny tenako, hoy ny depiote Mamod Ali Hawel voafidy tany an-toerana, fa ho tonga hiara-kifaly amin’ny vahoaka any Morondava sy “hampirevy” azy ireo ny tenako amin’ny volana desambra 2015, izany hoe aorian’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza amin’ny volana oktobra ho avy izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.