Efa feno 15 taona izao ny tenako no nisotro ronono ka tsy dia hitahita sy henohenon’ny olona firy intsony ny fanehoan-kevitra ataoko, izaho rahateo olona tsy mba tia sehoseho fa mipirimpirina hatrany, hoy i Latimer Rangers. Rehefa misy zavatra mahasosotra ahy ny miseho eto amin’ny firenena, indrindra ny any Atsimo
, dia miezaka manoratra izany an-gazety aho rehefa miresaka amin’ireo namana mbola am-perinasa ankehitriny. Am-panetren-tena anefa no hilazako fa tsy izaho no andeha hitsolontsolona hanatona ny fitondram-panjakana raha mba misy zavatra mahasoa fantatra fa raha toa ka ilain-dry zareo izany zavatra izany dia mbola am-panetren-tena koa no hanolorako azy raha miantso ahy izy ireo. Raha ny mikasika ny zava-misy any Atsimo, hoy ity mpanao gazety malaza zokiolona ity, dia izao iaraha-maheno izao ny zava-mitranga amin’ny nanjo ireo zandary noho ny nafitsoky ny fitohizan’ny asan’ireo dahalo. Tsy nitovizako hevitra tamin’ny praiminisitra teo aloha Kolo Roger mihitsy ny amin’ity resaka fiovam-pon’ny dahalo ity, hoy i zokibe Latimer fa ny vahoaka dia tsy voaaron’ izany velively ary tsy azo eritreretina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.