Fomba fiady hoenti-mandrava ny hetsi-bahoaka mitaky ny fahamarinana ny fampiasan-kery fa eo ihany koa ny fandotoana.
Nanomboka niseho izany ny sabotsy lasa teo tamin’ny resaka “cocktail molotov”, izay iandrasana ny fanadihadiana ny tena momba azy ireny. Tombanana ho tetika efa voaomana hoenti-mandoto ny hetsika hoenti-manaporofo fa tokony horavana sy sakanana hatramin’ny farany anefa io toe-javatra io satria hosokajiana ho fanakorontanana sy fanozongozonana ny fiandrianam-pirenena. Raha ny resaka nivoaka teny Analakely omaly rahateo, dia misy mihitsy ny fiara manokana voalaza fa mametraka ireo olona mitondra ny “cocktail molotov” mba handotoana ny mpitolona. Marihina sy ampahatsiahivina anefa fa hatramin’ny 29 desambra 2018 nanombohan’ny hetsika, nitohy ny 2,3,4 janoary saingy tsy nisy an’izany. Somary nahery vaika ny andron’ny sabotsy teo satria andro tsy fiasana rahateo ka efa nomanina ny fanakorontanana sy fandotoana satria misy tsy tena mpitolona nalefa teny an-kianja fa “gros bras” raha ny fanamarihan’ny mpitolona sasany. Etsy an-kilany, rahonana sy henjehina ary toriana ireo mpitarika mba hihalefy ny heriny na hipetraka sy hisitrika. Toa tetika efa tsara petrapetraka, araka izany, ny fandravana ny tolom-bahoaka mba tsy hivoahan’ny fahamarinana. Terena hikombom-bava amin’ny basy aman-tafondro ny rehetra. Eto an-drenivohitra aloha no tena mihetsika fa ho vita ve ny hanao tahaka izao hampiasa hery raha mihetsika i Madagasikara manontolo izay miandry toromarika fotsiny ny vahoaka dia mety hipoaka izany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.