Niniana naparitaka tao amin’ny tambajotra fesiboky ny resaka milaza fa nandray vola tany amin'ny kandida iray hanova ny voka-pifidianana mandeha amin'ny TVM sy ny RNM ny olom-panjakana ambony maromaro.
Nolazaina fa nahazo vola mitentina 1750 miliara Fmg ny minisitry ny serasera Riana Andriamandavy, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera Guy Laurent Ramanankamonjy, ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny serasera Donna Razafindrazaka, ny talen'ny kabinetran'ny primatiora Dina Andriamaholy ihany koa dia nolazaina fa nahazo 4 miliara Fmg. Ny Filohan’ny CENI Hery Rakotomanana dia nolazaina fa nahazo vola 9 miliara Fmg ka nandray ny tenany sy olona telo mpikambana ao amin'ny CENI, ary nandà tsy nandray izany Atoa Thierry Rakotonarivo, hoy io vaovao tsy marim-pototra io. Ny maraina dia mbola nisy vola mitentina 22 miliara FMG tonga tao amin'ny CENI Alarobia, hoy hatrany io resaka naparitaka io. Fanosoram-potaka ! Diso tanteraka ary melohiko io tsaho izay ahely hanakorontanana ny saim-bahoaka io, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera Atoa Guy Laurent Ramanankamonjy. Ny TVM sy ny RNM dia mahaleotena tanteraka amin'ny fanomezana ny voka-pifidianana. Ny fanelezana tsaho tahaka izao dia fandikan-dalàna tanteraka. Anjaran'ny CENI sy HCC no mamoaka ny vokatra vonjimaika sy ofisialy ka manentana ny rehetra hiandry izany am-pahatoniana, hoy izy, izay nandiso tanteraka io toe-javatra sokajiany ho fanosoram-potaka io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.