Politique

Repoblikan’ny tsolotra


  • Alakamisy 01 Oktobra 2015

Asa indray izay ho fialana bala avy amin’ireo manampahefana fa dia efa mazava ny nambaran’ny Search for Common Ground sy ny PNUD manao hoe tsy mahatoky intsony ny fitondram-panjakana ny vahoaka ary tena miraviravy tanana manoloana ny raharaham-pirenena satria be loatra ny kolikoly ataon’ny mpitondra.

 Mibaribary koa ny fitantanana tsy mahomby miampy fanaparam-pahefana. Ka inona moa izany fa dia repoblikan’ny gaboraraka sy ny tsolotra izao repoblika faha-4 izao, ka na ny eto an-toerana na ny any ivelany dia tsy misy mahatoky azy. Tsy hisy zava-banona eto raha tsy miova io fomba ratsin’ny mpitondra io, marina fa hoe olombelona nofo aman-dra ka mety ho solafaka. Tsy izany no atao fialana bala ka hanaovana izao hadalana rehetra izao. Ny fandaharanasa nampanantenaina 2 taona lasa tsy misy tokotaniny ka ny hanamafisana ny seza amin’ny 2018 sahady no mahamaika. Kabary no betsaka : foanana ny delestazy e ! Atao maimaimpoana ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra e ! Hitarika ny fampihavanana e…Inona akory no teo. Fitomboan’ny fahasahiranana, fitotongan’ny fahaizana amam-pahalalan’ny mpianatra malagasy ary savorovoro etsy sy eroa noho ny tsy fisian’ny fitoniana no nitranga. Mba menatr’olona lehiretsy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT