Politique

Repoblika faha-IV 48 volan’ny gaboraraka sy fampiesonana


  • Alakamisy 11 Desambra 2014

Feno efa-taona sahady ny Repoblika faha-IV natao tery vay manta nandritra ny tetezamita tari-tokana.

Nivoatra tokoa ny zava-misy manerana ny nosy satria Lalàmpanorenana sy mpitondra vaovao no mijoro eto Madagasikara ankehitriny. Fiainam-baovao ihany koa no mandrafitra ny fiarahamonina Malagasy satria raha mitrosa vao homana ny vahoaka maro an’isa 92% dia migalabona sy milamin-tsaina kosa ireo mpanongam-panjakana sy ny fianakaviana ary ireo tapaka sy namana 8% miampy ireo vahiny mpanangon-karena sy mpanararaotra. 1.460 andro anio no niandrasan’ny mpiara-belona ilay fanovana nampanantenaina taona iray talohan’io amin’izao figadonan’ny 11 desambra 2014 izao ka nanalana tamin-kery ny fitondrana ara-dalàna lanim-bahoaka notarihan’ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc.  48 volana gaboraraka niaretan’ireo tia tanindrazana ireo karazana ramatahora sy fanapenam-bava amin’ny endrika samihafa. Efa-taona ihany koa nampiesonan’ireo olom-pahefana ny mpiray tanindrazana tonga kisendrasendra teo amin’ny fitantanana ny firenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT