Andro fiasana ny 11 desambra 2011. Nanamafy izany ny teo anivon’ny fiadidiana ny ny praiminisitra taorian’ny fangataham-panazavana nataon’ny
Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara fa «araka ny didim-panjakana laharana 2014-1815 tamin’ny 02 desambra 2014 dia andro fiasana ny 11 desambra 2014». Mifamatotra amin’ny lalàmpanorenana ary manamarika ny fahaterahan’ny Repoblika faha-4 ny 11 desambra, izay nanaovana lanonam-panjakana teny Iavoloha tamin’ny 11 desambra 2010 ary nanaovan’i Andry Rajoelina hetsika manokana, kindriandriana niala avy eny Andohalo nipaka teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Ataon’ny fitondrana ankehitriny toy ny tsy misy izany ankehitriny, ary narahiny fanapahan-kevitra fa andro fiasana ny 11 desambra 2014. Efa tsinjotsinjo tamin’ny fahalaindainan’i Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha nandray ilay fanalahidy goavana natolotr’i Andry Rajoelina ho mariky ny famindram-pahefana (?) taminy io ny 24 janoary 2014, andro nialoha ny nanaovan’i Hery Rajaonarimampianina fianianana teny Mahamasina.
Divôrsa
Raisin’ny maro ho fiandohan’ny faharavan’ny Repoblika faha-4 io fihetsiky ny fitondrana io. Tsy dia mahagaga anefa izany satria lalàmpanorenana natao amboletra tsy nankatoavin’ny rehetra no nanaovana fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 2010. Ho an’ny mpomba an-dRajoelina moa dia mariky ny divôrsa eo amin’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina ny tsy fankalazan’ny fanjakana ny 11 desambra, ary raisin’izy ireo ho fitohizan’ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana ataon’ny filohan’ny Repoblika. Hanao hetsika manokana etsy Ambodivona, foiben’ny TGV sy ny tarik’i Andry Rajoelina (MAPAR) anio, hankalaza ity 11 desambra, toy ny nataon’izy ireo nandritra ny tetezamita, ary mety ho amin’io no hanambaran’ny MAPAR ny fivadihany ho mpanohitra ny fitondrana. I Andry Rajoelina rahateo efa namerimberina tamin’ireo mpiara-dia aminy fa tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny fanilikilihana azy ireo sy ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana ataon’ny filohan’ny Repoblika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.