Mipetrapetraka ny fanarenana ny firenena amin’ny endriny rehetra ho an’i Marc Ravalomanana na ara-drafitra na ara-politika na ara-toekarena na ara-piarahamonina …
Efatra ny laharam-pahamehana tsy azo ihodivirana ho an’i Madagasikara dia ny fampihavanam-pirenena sy ny fanavaozana ifotony ny Firenena sy ny Repoblika izay manana tanjona azo singanina manoloana izany dia ny fiaraha-mivelona, ny maha marin-toerana ny andrim-panjakana, ny filaminam-bahoaka, ny fanafoanana ny tsimatimanota,… Manaraka izany ny fitsinjaram-pahefana tena izy ao anatin’ny fizarana ny amin’ny fitovian-jo, ny fitoviana lenta sy andraikitra amin’ny lafiny rehetra ary ny firaisan-kina. Fahatelo ny fanajana toy ny anakandriamaso ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana ary fahefatra ny fanarenana ara-toekarena sy ny fampivoarana ny harinkarena sy ny fampandrosoana izay faritana ao anatin’ny MAP 2. Tsy nifampierana ny tolo-kevitra momba ny lalàmpanorenana tamin’ny 2010 ary tsy ara-demokratika ny fomba nandaniana azy. Efa tamin’ny 2013 ihany koa ny FFKM no nilaza ampahibemaso mialoha ny fifidianana samihafa. Hanova ny lalàmpanorenana i Marc Ravalomanana rehefa lany, ka tolotra 4 no azo hisafidianana (A,B,C,D), fa ny mpiara-dia izay tarihiny, dia mivoy ny tolotra iray hitambarana ho amin’ny fanjakana tokana ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy miainga amin’ny faritra (Etat Unitaire et Fortement Décentralisé base sur les regions). Ny fitsinjaram-pahefana tena izy, dia ny fokontany no vondrom-bahoaka fototra, ny kaominina no antanantohatra anivo ary ny Faritra no mpanapa-kevitra. Mikasika ny fampihavanam-pirenena, izay tena zava-dehibe dia hangatahana hitantana azy tanteraka ny FFKM mba tsy hitanila.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.