Politique

« Refondation Totale de Madagascar » Efa mijoro isaky ny distrika


  • Zoma 12 Desambra 2014

Niofo ho antoko politika ny Refondation totale de Madagascar ( RTM). Ity antoko ity tany am-boalohany dia fikambanana ary tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo no tena nahafantarana azy.

Ny antony dia satria ny fikambanana RTM no nanolotra an-dRandriamampionona Joseph Martin na i Dadafara ho kandida ho filohan’ny Repoblika tamin’ny 2013. Rahampitso sabotsy 13 desambra no hotontosaina eny amin’ny Live Hotel Andavamamba ny fanolorana ofisialy ity antoko ity. Lanonana izay nanasana ireo manampahefana sivily sy miaramila eto Madagasikara. Antoko misokatra amin’ny rehetra mantsy ny RTM ka tsy nisalasala niantso ireo ankolafin-kery rehetra misy eto amintsika. Mbola fanolorana ihany ity hotontosaina ity fa mbola hanomana ny kongresim-paritra sy ny kongresy nasionaly ny antoko. Efa mijoro isaky ny distrika sy ny faritra moa ny RTM. Hanatrika ity lanonana fanambarana ny fitsanganany amin’ny fomba ofisialy ity ireo solontena isam-paritra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT