Totoafo indray tato ato ny fisehoana ataon’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra teo aloha, Atoa Razanakolona Paul. Saika isan-kerinandro dia manao fandaharana na mivahiny amin’ireo onjam-peo eto Antsirabe indray ny tenany.
Nanombohany azy moa ny fanesorana ny fakon’ny Kaominina ary dia mitohy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra isan-karazany izany amin’izao fotoana izao. Hita ho efa seriny amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ny lehilahy satria efa nambaran’ireo kandidà isan’ny nifaninana taminy ho depiote fa hifanohana izy ireo amin’ity indray mitoraka ity ka ny mpifaninana hampisehoan’izy ireo ny herininy dia ny kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana. Raha ny nambarany farany moa dia tokony hefain’ny fanjakana ny fanohanana ny Kaominina izay tokony fanao mba ahafahan’ny mpitantana manatsara ny fotodrafitrasa toy ny lalana sy ny karazany any amin’ny Kaominina.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.