Politique

Razanakolona Paul Nipoitra indray ary nanala ny fakon’Antsirabe


  • Sabotsy 03 Janoary 2015

Ela no tsy nahatazanana an’Atoa Razanakolona Paul tao Antsirabe ka dia nipoitra indray ny lehilahy ary asa tonga dia vavany avy hatrany no nataony

Nanao hetsika ho fanalana ny fakon’Antsirabe ity lehiben’ny Faritra Vakinankaratra teo aloha ity satria dia mampiteny ny moana ny fiavosan’ny fako Antsirabe amin’izao fotoana vokatry ny tsy fahafahan’ny Kaominina Antsirabe manala izany tato ho ato. Nambarany fa tsy maintsy hesorina alohan’ny faran’ny taona ireto fako ireto mba ho tanàna madio no hifalian’ny vahoaka, hoy izy. Hatreto dia nambarany fa tsy misy ambadika politika ny hanaovany izao asa izao fa amin’ny maha “Transport Razanakolona” azy ihany ary malahelo ny fitobaky ny fako ny tenany. Niantso ny rehetra mba hifanome tanana ny tenany. Fantatra moa fa hifanome tanana aminy ihany ny Kaominina Antsirabe amin’ny fanomezana azy ireo fiara vaventy mpitatitra fako saingy ny fitaovany manokana dia hiasa manontolo mandra-paha afaka ireto fakon’Antsirabe ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT