Vonona ny hamelona ireo efa maty tao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka ny kandida Razakandrainy Bezoro. Anisan’izany ny sehatry ny fanabeazana izay nisedra olana taorian’ny nialany tamin’ny naha Ben’ny tanàna azy tao anatin’ny valo taona, ny fanohanana ireo tantsaha mpamokatra
. Tonga nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany teny Ambohidratrimo ity kandida ity ny alatsinainy lasa teo. Nambarany tamin’izany fa tanjony ny hitondra fampandrosoana ho an’ny mponin’Antehiroka iray manontolo izay efa nosantariny tamin’ny sabotsy lasa teo. Nisy mantsy ny fizarany masomboly ho an’ireo tantsaha mpamokatra eny an-toerana izay mbola santatra am-bava rano ihany, hoy izy. Nambaran’ity kandida iray ity hatrany moa fa hanohy ny ezaka efa natombony no antony mbola hiverenany ho mpifaninana ho Ben’ny taàana ao Antehiroka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.