Araka ny fampahafantaran’ny Distim vaovao eny Ambohidratrimo izay tarihan’Atoa Rakotobe Andrianaly CT teo aloha dia Atoa Razafintsalama Rajaonarimalala Samuel Frédéric no voatendry ho kandidà ben’ny tanàna mirotsaka amin’ny anaran’ny TIM eny amin’ny kaominina Anosiala Ambohidratrimo ary efa nahavita ny fandrotsahana ny antontan-taratasy filatsahany hofidiana teny amin’ny Ovec an’ity Distrika ity tamin’ny alatsinainy.
Hanasoa ny vahoaka, araka ny filamatry ny antoko Tiako i Madagasikara, no azy hirotsaka hofidiana, hoy ity kandidà ity ary hanandratra avo dia avo ny lazan’ny kaominina Anosiala sy ny fokontany 17 ao aminy. Nomarihan’Atoa Rakotobe Andrianaly izay anisan’ireo kandidà ho mpanolotsaina TIM 9 miaraka amin’Atoa Samuel Frédéric fa nisy ny fiovan’ny mpikambana Distim manerana ny Nosy raha toa ka hita fa tsy eo hanao ny asa intsony ireo mpikambana taloha ka ireo mpikambana Zanak’i Dada ao amin’ilay Distrika no mpikambana avy hatrany ao anatin’izany rehefa tsy hita intsony ny taloha.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.