Ambarako etoana tsy am-pisalasalana, hoy Atoa Raveloson Constant avy amin’ny antoko MFM, fa tena ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny filoha Marc Ravalomanana mba ahazoana manilika ny farasisan’ny atambo nentin’ny fanonganam-panjakana nitranga teto amintsika fa tena namotika ity Firenena ity io fanonganam-panjakana nisy io.
Marihiko etoana, hoy izy, fa ny filoha Ravalomanana dia olona manana ny lanjany ara-demokrasia eto amin’ny firenena ary mbola manana izany lanjany izany n’inon’inona famelezana atao aminy. Ireo hery demokratika miaraka amin’ny filoha Ravalomanana no afaka hanampy amin’ny fahasahiana hanapaka ny tadimpoitran’ny mpanongam-panjakana. Tsy maintsy fafana io farasisan’ny fanonganam-panjakana io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.