Tena mbola misy vorodamba mirehitra ve eo amin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean sy ny minisitry ny Asa vaventy Ratsiraka Roland.
Omaly mantsy raha saika handray fitenenana iny ny minisitra Ratsiraka Roland, hametraka fanontaniana tamin’ny Atoa Andriamifidy Jean Louis, tale jeneralin’ny Bianco dia nodinganin’ny praiminisitra avy hatrany kanefa dia izy izao no efa nandahatra ny fandraisam-pitenenana ho an’ireo minisitra telo naniry ny hametraka fanontaniana tamin’ny tale jeneralin’ny Bianco dia ny minisitry ny Fampianarana Ambony Rasoazananera Monique, ny minisitry ny Fambolena, Ravatomanga Roland ary ny minisitry ny Asa Vaventy, Ratsiraka Roland. Efa nisy disadisa ihany ny praiminisitra sy ny minisitry ny Asa Vaventy momba ny resaka fanaovana tatitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena ka izay no mbola mitohy ankehitriny sa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ? Etsy an-kilany, mety ho fiadiana fitia amin’ny antoko Arema. Tsy mbola nisy aloha filazan’ny an-daniny sy ny an-kilany ny filatsahana hofidiana filoham-pirenena amin’ny 2018 fa raha ny feo mandeha dia mety ho kandida ny praiminisitra. Ny jeneraly Ravelonarivo Jean izay olona tena akaiky ny filoha Ratsiraka. Na ahoana na ahoana koa anefa dia mitondra anarana Ratsiraka ny minisitry ny Asa Vaventy. Malagasy Tonga Saina ny antokony tamin’ny fotoana nilatsahany hofidiana filoham-pirenena farany teo kanefa tsy vitsy ny mpikambana ao amin’ny Arema indrindra ny any Toamasina no mankasitraka azy . Izany rehetra izany ary ve no ambadiky ny mety tsy ho fifankahazoan’izy ireo ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.