Voatendry ho talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, Atoa Ravelonalohotsy Andrianasolo Charles
Efa nilomano ela teo anivon’ny tontolon’ny fampianarana ny tenany satria efa sefo Cisco tany Mahanoro tamin’ny taona 1995-1996, nandranto fianarana tao amin’ny IMATEP, talen’ny fandrindran’asa na planification tao amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izao voatendry ho tale-paritry ny fanabeazana ao Amoron’i Mania izao. Asa laharam-pahamehana ho azy ny fametrahana ireo mpampianatra mpiasam-panjakana 87 isaky ny Cisco vao noraisina teo, handoa ireo tambin-karaman’ireo mpampianatra Fram ary hiara-kiasa akaiky amin’ireo sendikan’ny mpanabe ao amin’ny Faritra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.