Tena nampihorohoro tokoa ny zava-nitranga ny alin’ny alatsinainy 8 jona teo teny Anosibe Namontana ka nihatra tamin’ny namana depiote Lanto Rakotomanga, hoy ny depiote
Ravelohanta Nirina voafidy tany Antsirabe faharoa. Na izany aza, hoy izy, dia tsy hampiova velively ny fomba fiasa efa nanananay eto amin’ity andrim-panjakana ity ny trangan-javatra nisy fa efa nametrahan’ny vahoaka fitokisana izahay ka hotohizanay hatramin’ny farany ny adidy napetraka taminay. Ho ahy depiote Ravelohanta Nirina manokana dia sahiko ny manambara etoana fa hotohizako hatrany ny fanaovana asa soa amin’ny mpiara-belona efa natao hatrizay, indrindra ho an’ny any amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa misy anay.
Ntsoavina Evariste
Sary : Ny depiote Ravelohanta Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.