Politique

Ravalomanana tena akaikin’ny Malagasy Sesilany ny fanambarana hanohana azy


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Tsy nisy hatak'andro lava na niandry toromarika avy atsy na aroa ireo Ben'ny Tanàna maro ao anatin'ny distrikan'i Manakara fa avy hatrany dia nanapa-kevitra tsy ampihambahambana hanohana ny Kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana.

 

 

 Avy amin’ny firehana samihafa saingy atambatry ny fitiavana an'i Dada izy ireo. Nisongadina tamin’ny lahateny nataon'ny solon-tenan'ireto Ben’ny tanàna ireo fa tsy mbola nisy Filoha nitondra teto ka nanome lanja ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy nametraka ny hasin'ny Ben'ny Tanàna sy ireo Filoham-pokontany raha tsy ny Filoha Ravalomanana. Nampanantena ny Filoha Ravalomanana fa mbola hanao ezaka tsara lavitra noho ny vitany teo aloha tamin’ny fotoana nitondrany raha lany soa aman-tsara ka hametraka ny "decentralisation " tena izy ka homena ny hasin'ireo mpitondra ny Kaominina sy Fokontany. Nohamafisiny fa tsy maintsy omena ny zavatra rehetra ilainy ny Kaominina ahafahany mampandroso ny faritra misy azy sady hanaovany fotodrafitrasa. Toky no nomen'ireo Ben'ny Tanàna fa hanao ezaka mafy mba hahavoafidy an'i Dada ho Filoha. Anjaran'ny komity mpanohana K25 tao Vangaindrano, Nosifeno, Befotaka Sud, Sainte Luce ary Ranomafana indray moa no nihaona taminy omaly. Faly aho fa vonona hatrany isika amin'ny tanjona iombonana. Hita sy tsapa ny fiombonana, ary ataontsika hatrany ny mampitovy lanja ny mpanohana sy ny faritra rehetra, hoy i Marc Ravalomanana. Miandry am-pahamendrehana ny voka-pifidianana avy amin’ny HCC ny K25, saingy efa miomana ihany koa amin’ny ho avy. Voaporofo hatrany amin’izao fotoana izao, fa kandidam-bahoaka ny tenany, ary afaka mifampiresaka amin’ny mpiray tanindrazana na aiza na aiza misy azy. Olon’ny fihavanana sy fampihombonana, ary efa maro no resy fa tena afaka hamerina ny hasin’ny Madagasikara sy ny Malagasy amin’ny laoniny indray i Marc Ravalomanana. Manomboka sesilany amin’izao fotoana izao ny fanambarana maneho fahavonona hanolo-tànana hampandany azy amin’ny fihodinana faharoa.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT