Tany Toliara ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana omaly alakamisy 4 oktobra. Vao tonga izy dia velom-panantenana ny vahoaka nitsena tamin-kafaliana, hany ka lava be ny kortezy nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina, efa ho 3 km. Samy namoaka sy niteny ny hetahetany ny olona.
Nijaly izahay dada taminao tsy teo ! Mila sakafo ny olona, mila mianatra, mila miasa,...ianao prezida Ravalomanana no hitanay fa nahavita ary mbola antenainay fa hanavotra anay, hoy ny olona. Resaka teny an-dalambe, teny an-tsena, fifandraisana mivantana tamin'ny vahoaka tahaka ny efa fanaony na mpivarotra na mpianatra no nanamarika ny fihaonan-dRavalomanana sy ny vahoaka. Nitsidika ny Bazar Sakama niresaka, nihaino ny hetahetan'ny olona,... Tonga aty aho, nijery anareo, nihaino anareo. Tantarao amiko tsara izay manjo anareo,… avy eo aho miverina amin'ny propagandy dia mitondra vahaolana, hoy i Marc Ravalomanana. Mijaly ny vahoaka eto Toliara fa tsy zakanay ilay vary 600 ariary ny kapoaka, ny vidim-piainana miakatra, ny asa tsy misy, ny karama tsy misy,… hoy kosa ny vahoaka. Mijery, mihaino, ho avy aho hitondra vahaolana fa mila milaza ny zava-misy marina ny vahoaka. Efa misy ny vahaolana harosoko. Kely sisa. Hiaraka hitondra sy hametraka fivoarana araka ny tokony ho izy sy amin'ny lafiny maro isika, hoy ny fampanantenany. Amboarina ny tsena, ny lalana, ary misy zavatra tena maika dia ny fametrahana ny fandriampahalemana, ny ady amin’ny tsy fisian’ny asa, manjary lasa tsy misakafo ny olona. Mila zavatra tena mety sy ara-dalàna tsara. Raha mivarotra trondro ohatra, dia mila manana « congélateur ».Ho an’ireo izay mbola misalasala, nanamafy i Dada tany Toliara omaly : tsy matahotra na iza na iza , ary tsy maintsy mandresy isika, hoy izy.Ho tohizana ny fanarenana ny firenena ary tsy maintsy atao izay hananan’ny Malagasy asa sy hananany sakafo ampy. Hatramin’ny fiverenany avy any an-tsesitany sy nisehoany vahoaka, izay ho feno 4 taona katroka amin’ny 14 oktobra izao no nidina tany ifotony nijery ny fiainan’ny vahoaka Malagasy i Marc Ravalomanana. Nihaino sy niresaka, eny fa nanokatra ny aty vilanin’ny olona mihitsy. Tsy vitan’izay fa namantatra avy eo miasa sy manatanteraka, ary tsy balarora fotsiny io, fa efa mipetrakapetraka ny fomba hanatontosana azy toy ny mpiara-miombon’antoka. Nitazona ny fifandraisany tamin’ireo rehetra heverina ho afaka manome tanana i Marc Ravalomanana na tsy teo amin’ny fitondrana intsony aza. Mbola hisy ny fihaonana any amin’ny Magro Toliara anio, raha ny fandaharam-potoana voafaritra mialoha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.