Politique

Ravalomanana tany Antanifotsy “Ho avy i Dada hiaro ny Malagasy”


  • Talata 11 Septambra 2018

Ny vahoakan’Antanifotsy indray no nihaona sy nifampitakosona tamin’i Marc Ravalomanana omaly, ary niara-dalana taminy ny depiote Rakotomanjato Rodin.

 

 

 Nijaly ny vahoaka, niala ny tetezamitatra dia niditra indray ny mpampiesona, hoy ity solombavambahoaka ity. “Izao no mahantra ny olona ka hiandry amin’ny 2030 ve vao hihinana ?”, hoy izy sady nampiany hoe “ela loatra izany”. Manana finoana isika fa tsy maintsy tafita sy hiverina indray amin’ny fiainana tsara. Mila sahy, araka ilay hira faneva “ka sahia”, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Ahoana no ahatanerahana an’izany ? Tsy maintsy mandresy isika, tsy tongatonga ho azy izany fa miaraka amin’Andriamanitra. Ampiasaina izay rehetra eo am-pelatanana toy ny fitaovana, ny olona, ny mpiara-dia,... Nanokana ny fahaizako sy ny fahakingako aho mba hahazoantsika tany vaovao sy firenena vanona. Niezaka ary hiezaka araka izay tratrako aho mba hitovizan’ny Malagasy amin’ireo olona any amin’ny firenena mandroso. Misy manararaotra antsika Malagasy eto fa ataontsika mahafantatra tsara izy ireo hoe manana dada hiaro sy hampianatra ny Malagasy. Tsy maintsy mianatra isika. Tamin’ny fitondran’i Dada tena efa maro ny zaza Malagasy niditra an-tsekoly, ka tsy maintsy omena hasina ny mpampianatra. Mahareta kely fotsiny 2 volana aloha fa voavahantsika io olana io. Tsy miantsy miara-miasa mba hahavitana fotodrafitrasa. Miara-miasa amin’ny mpamatsy vola isika, ara-dalàna ny fitantanana ny vola, tsy misy kolikoly izany fa mangarahara io. Aoka hifanaraka tsara, aleo hanao ny asany ny olona ary aza hetraketrahana. Tonga i Dada hamerina amin’ny laoniny ny fiainan’ny olona. Fahotana mahafaty ny fandrombahana fahefana, fakana fitondrana an-keriny, noho izany tsy afaka milaza fa hamerina ny fandriampahalemana ny olona nandrombaka fahefana fa aleo amin’ny alalan’ny zotram-pifidianana mandeha ara-dalana dia ny vahoaka no mifidy, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Nohamafisiny fa niainga tamin’ny 2009 io resaka fakana an-keriny sy asan-jiolahy mahery vaika amina faritra maro manerana ny nosy io, ary tsy nisy an’izany mihitsy tamin’ny fitondrany. Mila manaja ny fitsipika isika rehetra fa io ihany no hahafahana miasa mirindra. Mitotongana koa ny sandam-bola, midina midina be izy io, marary ny toekarena. Tsy afaka mamokatra sy miasa araka ny tokony ho izy ny olona noho ny tsy fisiana fandriampahalemana na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Tsy maintsy ahitantsika vahaolana io, hoy i Marc Ravalomanana tamin’ny vahoakan’Antanifotsy sy ny Malagasy manontolo.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT