Politique

Ravalomanana tany Analanjirofo Resy lahatra ny rehetra


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Faly nahatsidika ireo toerana tena saro-dalana tao amin’ny faritra Analanjirofo ao amin’ny faritanin’i Toamasina toa an’i Sahambala, Miarinarivo aho , hoy i Marc Ravalomanana omaly;

 

 

 

 

  mpamokatra vary kanefa tsy misy mpitsidika izy ireo raha ny filazany.Vavatenina kosa dia tena mila fanamboarana maika be.Tao Fenerive atsinanana, dia tsapako fa tena mafana fo ny olona, te hanao zavatra ry zareo, be ny tanora saingy tsy an’asa, hoy i Dada.Nohazavaina tao ny manifesto, fanamboaran-dalana, fampianarana ny ankizy, fitsaboana, fanomezana sakafo. Tsikaritra nandritra ny fandaloan’i Marc Ravalomanana tany an-toerana fa na ny olona efa nahazo sy nanao ny T shirt an’ny kandida hafa, no sady nanatrika lanonam-be niaraka tamina artista maro aza dia resy lahatra tamin’i Dadavalo ary manantena azy fa hitondra ny tena fanovana sy fanavotana ny firenena.Efa tena tsy fantatry ny olona intsony izay hataony, tsy misy mpijery, tsy misy mpanara-maso fa dia samy manao izay tiany.Tsy mirindra ny asa, hoy izy.Nahafinaritra be ihany koa ny tao Soanierana Ivongo; tanàna fantatro tsara satria  namboly kafe tao ny raiko fahiny, hoy i Marc Ravalomanana.Nandalo Mananara avaratra avy eo dia niverina tany Foulpointe ary tena maro be ny olona tonga nihaino ny fandaharanasan’ny kandida 25, manontany izy ireo hoe inona no ataonay mba hahalany anao ho prezida.Latsaka lalina i Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 satria lasa tany faha 4 faran’ny izay sahirana indrindra amin’ny tsy fahampian-tsakafo ny Malagasy araka ny tarehimarika avy any amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena maro.Mahamentra fa tsy mendrika ny Malagasy izany hoy I Marc Ravalomanana  satria i Madagasikara manana tany midadasika, mamokatra, misy rano, ara-dalàna ny orana , manana masoandro.Isika tsy miady an-trano, tsy misy loza voajanahary goavambe kanefa mahantra..tsy rariny izany, tsy mety fa tsy maintsy misy zavatra ovaina eto amin’ny fahaiza-mitantana sy ny fomba fiasa.Namamafy i Dada hoe fidio i Marc Ravalomanana laharana faha 25 amin’ny 7 novambra fa amboarintsika ny zava-drehetra , voalohany amin’izany ny famerenana indray ny fandriampahalemana; Fiarovana ny olona sy ny fananany, fametrahana fitsarana mitsara ara-dalàna tsara, hamafisina ny ady amin’ny kolikoly.Rehefa ny mpitarika no manana fitondran-tena mendrika, manaraka ny toromarika ho azy ny vahoaka, hoy izy.Nohamafisin’ny kandida laharana faha 25 fa tsy maintsy ahitsy ny fidiram-bolan’ny tantsaha, tsy maintsy hatsaraina ny vidim-bokatra hoy izy satria tsy mety fa mambotry ny tantsaha ny zava-misy amin’izao fotoana.Averina ny fiarahamiasa amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena sy ny tetikasa maro ho fanampiana ny tantsaha. Tsy adinon’ny kandida laharana 25 ny nanome toky ireo mpamokatra sy mpandraharaha amin’ny jirofo fa tsy maintsy hatsaraina io sehatra io ary jerena izay hahafahana manampy azy ireo. Betsaka ny zavatra azo atao ho an’ny faritra atsinanana sy i Madagasikara iray manontolo, ary vitantsika ny mametraka izany fahaleovantena ara-tsakafo izany, hoy i Marc Ravalomanana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT