Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Niresaka mitokana ?


  • Alarobia 28 Janoary 2015

Atomboka amin’ny volana febroary ny fidinana ifotony any amin’ny faritra hakana ny hevitry ny olona momba ny fampihavanam-pirenena. Hiaraha-miasa amin’ny fitondrana foibe ny fanatanterahana izany.


Avadika ho lalàna

Ny volana martsa kosa no hisy ny fivoriambe eto Antananarivo ka tsy maintsy hisy ny fanapahan-kevitra horaisina mandritra izany ; misy ny zavatra maika tsy afaka miandry ela ka tsy maintsy hanapahan-kevitra, hoy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filoha mitarika ny FFKM teny amin’ny hotely kintana 5 Ivato omaly, taorian’ny fivoriana fahenina teo amin’ireo filoham-pirenena 5. Fantatra ihany koa araka ny resaky ny filohan’ny FFKM omaly ihany fa ezahana ampidirina handray anjara amin’ity fampihavanam-pirenena ity ny antenimieram-pirenena. Raha adika tsotsotra izany dia dinihana sy hankatoavin’ireo depiote izany ny fehin-kevitra avy amin’ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM ary avadika lalàna ampiharina eto amin’ny firenena avy eo.

 

Niresaka mitokana ?

Efa hirosoana ihany koa ny fananganana vaomiera ato ho ato ka anisan’izany ny vaomieran’ny fahamarinana sy fampihavanana, ny vaomieran’ny fanarenam-pirenena ary ny vaomieran’ny fanonerana ireo niharam-boina nandritra ny fifandirana politika teto amin’ny firenena. Mbola hisy moa amin’ity anio ity ny fivoriana fahafito iarahan’ny FFKM sy ireo filoha 5, satria misy ny zavatra mbola mila alamina raha araka ny fanazavana voaray ihany. Nanatrika ny fihaonana teny Ivato avokoa moa omaly Atoa isany Hery Rajaonarimampianina, Zafy Albert, Didier Ratsiraka Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina. Ity farany dia somary mbola nijanona 40 minitra teo ho eo taorian’ny fahavitan’ny fivoriana vao nivoaka, saingy tsy fantatra mazava ny tena antony. Ny fantatra fotsiny dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no nivoaka farany ny hotely kintana 5 teny Ivato omaly. Nisy ve ny fihaonana na fifampiresahana mitokana teo amin’ny roa tonta ? Tsy nisy nipika ny resaka afa-tsy ny tatitra fohy nataon’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. Tahaka ny mahazatra dia tsy nisy nitafa tamin’ny mpanao gazety ireo filoha 5 teo am-piravana fa samy tonga dia niditra ny fiarany tsirairay avy ary nody.

 

Légende :nandritra ny fivoriana omaly teny Ivato

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT