Ho maromaro ihany ny tsy ampoizina na « surprise » hitranga ato anatin’izao andron’ny lazaina ho « marimaritra iraisana » izao raha ny fipoitrany nanomboka ny alatsinainy teo.
Iza moa no nanampo fa hisy an’izany Christian Ntsay izany hipoipoitra any amin’ny tsy hay tsy hay avy any dia izao tafapetraka eny Mahazoarivo. Nohirahiraina teny an-kianja ny anaran’olona 3 izay efa nanomboka nahazo ny fom-bahoaka ary azo antoka fa nahafapo ireo mpitolona ihany farafaharatsiny raha toa ka tsy ho tena nahafaly azy ireo akory raha mba ho notendrena ho praiminisitra teo. Kanjo tsy izay moa no nitranga fa dia mbola tsikaritra ho nisy dian-tanana maventin’ireo avy any dilambato indray ny raharahan-tokantranon’ny samy Malagasy. Resaka mandeha koa amin’izao fa ezahana voizina ny hoe tsy mety raha mbola omena ny avy eto Antananarivo ny toeran’ny filoham-pirenena amin’ny taom-piasana manaraka eo satria efa Merina foana no teo tao anatin’ny 16 taona farany . Izany hoe ny taona 2002 ka hatramin’izao. Mandeha ny resaka any ambadimbadika any fa misy ny miketrika paikady mba hanilihana ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita farany teo, Andry Rajoelina .Tsy mbola fantatra mazava hoe inona izy io saingy raha tsy mitandrina sy tsy mahay mamindra tsara ao anatin’ny tontolo politika izay hita fa tena avo lenta be eto Madagasikara ireto filoha mirahalahy ireto dia mety ho tratry ny velapandrika.Ka ny voalohany amin’izany dia ny fampiadiana azy ireo sy ny famendrofendroana ny mpomba azy ireo tsirairay avy.Any amin’ny resaka raharaham-pitsarana no mety paikady manaraka aroso hanalefahana ny hery ara-politikan’izy ireo tsirairay avy ihany koa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.