Eo am-piandrasana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC amin’ny 28 novambra ny rehetra ankehitriny, izay heverina fa hiditra amin’ny fihodinana faharoa, raha tarafina tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI ny 17 novambra lasa teo.
Efa miomana amin’izay ireo kandida roa tonta, raha tarafina amin’ny fihetsiny sy ny zavatra ataony. Midina ifotony sy mihaona amin’ny vahoaka ary mametrapetraka ny paikady amin’ny alalan’ny fametrahana ny K25 ny komity mpanohana ny kandida faha-25. Omaly dia tany Ranohira Ilakaka, Ihosy, Fianarantsoa, Ambositra, Andranomanelatra, Antsirabe izy. Nialoha izay dia efa tany Vangaindrano, Nosifeno, Befotaka Sud, Sainte Luce, Ranomafana ... Faly aho fa vonona hatrany isika amin'ny tanjona iombonana. Azo antoka ny fiombonana, ary ataontsika hatrany ny mampitovy lanja ny mpanohana sy ny faritra rehetra, hoy i Marc Ravalomanana. Tsara sy kanto loatra ity Nosy malalantsika ity. Mendrika ny fiainana tsara koa ny vahoaka Malagasy, hoy izy raha nitsidika sy nisitraka ny hakanton’ny Morontsiraka tany Sainte Luce Tolagnaro. Anio dia hihazo an’Ambatolampy, Anosibe An'ala, Antanambao Manampontsy, Mahanoro, Vatomandry Brickaville ary Toamasina izy. Tsiahivina hatrany fa efa nanatsoaka ny fitoriany 208 teny amin’ny HCC ny kandida Ravalomanana satria ny tsy fanesorana izany, dia mety hanamafy orina ny tanjona voizina amin’ny hanafoanana ny voka-pifidianana, ka hahafoana ihany koa ny fihodinana faharoa hahafahan’ny Malagasy mifidy izay filoha tena mendrika hitondra azy. Etsy an-kilany, na nanakiana mafy ny CENI sy nilaza tsy ho afa-po tamin’ny voka-pifidianana aza i Andry Rajoelina, dia efa endrika fiomanana amin’ny fihodinana faharoa ny fidinana ifotony, toy ny nataony teny amin’ny Boriborintany voalohany sy fahefatra teto Antananarivo. Ny famoronana ilay “Tsena Mora”, izay nosantarina any Toliara, izay efa endrika fakana ny fom-bahoaka ihany koa amin’izao fotoana izao. Menaka mora, vary mora … moa raha tsiahivina no isan’ny nentina nakana ny fom-bahoaka tamin’ny taona 2009. Mbola hahomby ve io ? Ny hirariana dia handeha madio ny fifidianana ary hahay hanaiky izay resy eo. Izay ho lany eo mantsy dia ho filohan’ny Malagasy manontolo ary tsy hanana tombontsoa amin’ny savorovoro ny besinimaro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.