Araka ny efa nanampoizana azy, mizotra mankany amin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana filoha, araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly.
Tsy nisy kandida nahafeno ny fepetra voalazan’ny andininy faha-47 andalana faha-3 amin’ny Lalàmpanorenana, izay milaza fa voafidy ho filohan’ny Repoblika avy hatrany izay mahazo ny antsasamanilan’ny vato manan-kery amin’ny fihodinana voalohany. Nazava ny voka-pifidianana ofisialy omaly fa hiatrika ny fihodinana faharoa ny kandida laharana faha-13 Andry Rajoelina sy ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana. Miisa 5 367 550 tamin’ny mpifidy voasoratra anarana 9 949 083 no tonga nandatsa-bato, izay nanome taham-pandraisana anjara 53,95%. Nahatratra 386 946 ny vato maty ary 4 980 604 kosa ny vato manan-kery. Nahazo vato 1 954 023 manome salan’isa 39,23% i Andry Rajoelina, ary 1 760 837 manome 35,35% kosa i Marc Ravalomanana. Tsy nifanalavitra tamin’ny valiny vonjimaika navoakan’ny CENI ny 17 novambra lasa teo izay 39,19% sy 35,29% io. Hangotraka ny fihodinana faharoa ary hotsarain’ny vahoaka eo ny nanongana sy naongana tamin’ny 2009 hoe: iza no nanasoa ary iza no namotika firenena? Azo ambara ho mandiso ny fanasoketana ny CENI sy ny rindram-baiko na “logiciel” nampiasainy io. Nambaran’ny kandida Andry Rajoelina mantsy fa “truqué” iny. Raha hiverenana ny teniny, nambarany fa fitarihany no ekeny fa tsy amin’io isam-bato io. Iny anefa ny vokatra nivoaka tamin’ny alalan’ny fampiasana rindram-baiko hafa mihitsy. Nisy ireo fitoriana samihafa izay nisy ny azo noraisina saingy nambara fa tsy nitombina, ary tao no tsy azo noraisina mihitsy, ka tsy nanova firy ny voka-pifidianana. Nanamarina, namerina nanisa ary nampanan-kery indray ireo biletà voalaza amin’ny tsy rariny fa fotsy sy tsy manan-kery taminà biraom-pifidianana miisa 133 tamina toerana maro ny HCC, ka izany fanitsiana izany dia nampanan-kery vato miisa 4379. Azo raisina nefa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny kandida Hery Rajaonarimampianina mitaky ny hanafoanana tanteraka ny voka-pifidianana. Tsy azo noraisina kosa ny fitorian’ny Vondron’ny kandida, izay nirona tany amin’ny fanafoanana tanteraka ny voka-pifidianana ihany koa. Raha raisina tsirairay ireo tsy fetezan-javatra voalaza sy hita ireo, heloka azo enjehina eo anatrehan’ny lalàna izy ireny. Tsy fetezan-javatra mitsitokatokana izy ireny fa tsy mahasahana ny firenena manontolo na dia tsy azo hodian-tsy hita aza ny vokany araka ny lalàna eo amin’ny fari-pifidianana nisehoany ka raha akambana na amin’ny habetsahany na amin’ny endrika isehoany, dia tsy antony hahafoana ny raharaham-pifidianana amin’ny ankapobeny, hoy ny ampahany tamin’ny fanambaran’ny HCC. Mifantoka any amin’ny fihodinana faharoa izany ny sain’ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.