Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Fihodinana faharoa hampangitakitaka


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Hifampitady any anaty fifidianana filoha fihodinana faharoa i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina raha tsy misy ny fiovana goavana amin’ny voka-pifidianana havoakan’ny HCC taorian’ny an’ny CENI.

 

Miisa 9 898 544 ny mpifidy voasoratra anarana raha toa ka 5 367 871 no tonga nifidy izay manome 54,23%, ka 392 853 ny vato fotsy sy vato maty izay manome 7,32%, ary miisa 4 975 018 kosa ny vato manan-kery.  Vato 1 755 885 amin’ny vato manan-kery amin’ny 4 975 018 no azon’ny kandida laharana-25 Marc Ravalomanana izay manome 35,29%, raha 1 949 851 manome 39,19% ny an-dRajoelina kandida faha-13. Laharana faha-3 ny kandida faha-12 Hery Rajaonarimampianina izay nahazo vato 439 837 manome 8,84%. Nisafidy toetra nifototra amin`ny toe-javatra telo ny CENI dia ny fangaraharana, ny tsy fitanilana ary ny fahaleovantena, hoy ny filohany Hery Rakotomanana. Nanamafy ihany koa ny tenany fa tsy nisy ny teritery na avy amin`iza na avy amin`iza ary niasa tao anatin`ny mangarahara tanteraka izy ireo tao anatin`ny famoahana voka-pifidianana. Anisan’ny notsindriany ny fampiasana ny rindram-baiko na ny “logiciel”, izay nokianin’ny ekipan-dRajoelina. Niantsoana manampahaizana avy any ivelany, ary niaraha-nanandrana nialoha ny nampiasana azy, raha ny fanazavana. Sivy taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009, rehefa tratry ny “ni…ni…” tamin’ny taona 2013, nolazaina sy novoizina fatratra fa naloan’ny Malagasy, nodradraina fa leo an-dRavalomanana ny vahoaka, mpamono olona,… Nandritra ny 9 taona no nanaratsiana azy ary mitohy mandrak’androany, saingy tsy dia nandaitra avokoa. Raha ny fanenjehana sy fanompana mihitsy aza, dia 1% no azon’i Marc Ravalomanana, saingy io iaraha-mahita io ny vokatra tamin’ny fampielezan-kevitra madio tsy nisy fividianana safidim-bahoaka na fanakaramana olona handatsa-bato. Efa nahanjahanjan’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Vondrona Eoropeanina kosa ny fizaram-bola nataon’ny kandida Rajoelina, izay heverina fa tsy tongatonga ho azy ary ny vahiny tsy hanoso-potaka fahatany. Raha dinihina amin’ny voka-pifidianana dia tsy nankaiza firy ny vokatra azo heverina ho fividianam-bato raha oharina amin’ny safidim-bahoaka madio. Fahefana miorina amin’ny lalao maloto sy fanatobahana volabe hahazoana fahefana no tadiavina hajoro eto ka inona no antenaina amin’izany ? Ho ambany ny fitokisan’ny sehatra iraisam-pirenena na ny “crédibilités” ho an’iny kandida iny raha toa ka lany. Azo hifampitsarana ihany koa ny tantara teo amin’ny faripiainan’ny Malagasy talohan’ny 2009 sy ny taty aoriany, izay nibaribary fa potika tamin’ny lafiny rehetra na ara-toekarena, toe-tsaina, soatoavina, ara-politika, fandriampahalemana… ny firenena taorian’ny 2009. Mena ny tondro rehetra ary tsy dia ahitan’ny mpitondra tetezamita fialana bala afa tsy ny hoe : ny ho avy no handeha hobanjinina fa aza variana mitantara ny lasa. Ny filoha efa nitondra dia tokony ho efa nahitana fahombiazana amin’ny zavatra nataony, ary rehefa mahomby ianao dia mahomby foana, hoy i Marc Ravalomanana nandritra ilay adihevitra tao amin’ny TVM ny 3 novambra. Voasazy isika tamin’ny 2009-2013, ary tsy ny olona nanongam-panjakana no voa fa ny vahoaka Malagasy, izany hoe tsy nisy fahombiazana, raha ny nambarany. Mason-tsivana hahafaha-mitsara ny kandida ny efa nafitsony teto amin’ny firenena, ary misy ny te hikosoka ny tantara.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT