Hifampitady any anaty fifidianana filoha fihodinana faharoa i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, 9 taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009, rehefa tratry ny “ni…ni…” tamin’ny taona 2013.
Nolazaina sy novoizina fatratra fa naloan’ny Malagasy, nodradraina fa leo azy ny vahoaka, mpamono olona,… Nandritra ny 9 taona no nanaratsiana an’i Marc Ravalomanana ary mitohy mandrak’androany, saingy tsy dia nandaitra avokoa. Raha ny fanenjehana sy fanompana mihitsy aza, dia 1% no azon’i Marc Ravalomanana, saingy io iaraha-mahita io ny vokatra tamin’ny fampielezan-kevitra madio tsy nisy fividianana safidim-bahoaka na fanakaramana olona handatsa-bato. Efa ireny nahanjahanjan’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Vondrona Eoropeanina kosa ny fizaram-bola nataon’ny kandida Rajoelina, izay heverina fa tsy tongatonga ho azy ireny, ary ny vahiny tsy hanoso-potaka fahatany. Raha Malagasy mantsy no namoaka tahaka ireny, dia mbola mety hivoaka indray ny hoe fankahalana sy fanosoram-potaka be fahatany. Raha dinihina amin’ny voka-pifidianana dia tsy nankaiza firy ny vokatra azo tamin’ny fividianam-bato raha oharina amin’ny safidim-bahoaka madio, ary inoana fa vao mainka hahatonga saina ny Malagasy ny zava-nisy tao anatin’ny fifidianana teo. Fahefana miorina amin’ny fikafika lalao maloto sy fanatobahana volabe hahazoana fahefana izany no tadiavina hajoro eto ka inona no antenaina amin’izany ? Ho ambany ny fitokisan’ny sehatra iraisam-pirenena na ny “crédibilités” ho an’iny kandida iny raha toa ka lany eo. Azo hifampitsarana ihany koa ny tantara teo amin’ny fari-piainan’ny Malagasy talohan’ny 2009 sy ny taty aoriany, izay nibaribary fa potika tamin’ny lafiny rehetra na ara-toekarena, toe-tsaina, soatoavina, ara-politika, fandriampahalemana … ny firenena taorian’ny 2009. Mena ny tondro rehetra, ary tsy dia ahitan’ny mpitondra tetezamita fialana bala afa tsy ny hoe : ny ho avy no handeha hobanjinina, fa aza variana mitantara ny lasa. Ny filoha efa nitondra dia tokony ho efa nahitana fahombiazana amin’ny zavatra nataony, ary rehefa mahomby ianao dia mahomby foana, hoy i Marc Ravalomanana nandritra ilay adihevitra tao amin’ny TVM ny 3 novambra. Voasazy isika tamin’ny 2009-2013, ary tsy ny olona nanongam-panjakana no voa fa ny vahoaka Malagasy, izany hoe tsy nisy fahombiazana, raha ny nambarany. Mason-tsivana hahafaha-mitsara ny kandida ny efa nafitsony teto amin’ny firenena, ary misy ny te hikosoka ny tantara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.