Politique

Ravalomanana sy ny K25 Tsy hanaiky lembenana


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Hisy ny fihaonamben’ireo mpiara-dia amin’ny kandida Marc Ravalomanana eny amin’ny foiben-toeran’ny K25 eny Bel’air anio sabotsy manomboka amin’ny 9 ora maraina mba hifampitana vaovao sy hanomezana ny toromarika.

 

Tsy hipetra-potsiny manoloana ny fikasana hanodikondina ny safidim-bahoaka izy ireo araka ny angom-baovao natao omaly hariva. Fa mialohan’izay dia nametraka taratasy fangatahana hanao fampitahana ny voka-pifidianana na "confrontation des voix" teny anivon'ny CENI ny K25 omaly hariva mba hisian’ny mangarahara. Manana ny voka-pifidianana eo am-pelatanany ny K25, izay ahitana taratra fa mizotra mankany amin’ny fandresena ny kandida Marc Ravalomanana. Tao anatin’ny 48 ora dia tsy niova firy fa teo amin’ny 54% sy 45% mahery avy foana ny vokatra azon’ny kandida roa navoakan’ny CENI, ka birao fandatsaham-bato 12 097 / 24 852 (48,68%) nisy vato manan-kery 2 472 244 no namoahana vokatra hatramin’ny omaly tamin’ny 9ora alina, ka andrasana ny fivoarany. Tonga nihaona tamin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana tao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ihany koa ny kandida Ravalomanana Marc, izay nampahafantatra ny fitarainany mikasika ireo tranga mialoha sy nandritra ny fifidianana fihodinana faharoa.  Nandray sy nihaino izany ny Filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao amin’ny maha vovonana iadian’ny lohany azy eto amin’ny firenena. Ireny niaraha-nahita ireny rahateo ny karazana hosoka ara-pifidianana sy kajikajina hala-bato, izay teto an-drenivohitra aza nahitana izany, ka mainka fa tany amin’ny faritra. Nandeha ny don-tandroka sy ny bodongerona, ary nisy hatramin’ny fifofoana ain’olona. Lasibatra tamin’izany ny mpanohana ny kandida Marc Ravalomanana nanomboka tamin’ny fampielezan-kevitry ny fihodinana voalohany, ary nitohy tamin’ny faharoa teo. Olon’ny filaminana sy tsy tia korontana ny kandida faha-25, ka toa lalaovina sy hararaotina amin’izany. Efa ireny nasehon’ny an-kilany sy nabaribariny rahateo, fa efa zatra ady izy ary na inon-kidona na inon-kitranga dia tsy maintsy mandresy. Niharihary ny fandikan-dalàna sy ny fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana tamin’ny alalan’ny baiko nataon’ny minisitry ny atitany amin’ny fampandresena an-dRajoelina, araka ny fijoroana vavolombelona nataona lehiben’ny distrika. Tsy najaina araka izany ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana mamaritra fa tsy tokony hisy ny fitanilana. Efa mavesatra ny porofo amin’ny fisian’ny hosoka tamin’ity fihodinana faharoa ity ka inoana fa tena handray ny andraikiny ny HCC. Heverin’ny an-daniny fa ho mora fotsiny ny mandemy ny sain’i Marc Ravalomanana sy ny mpomba azy ezahina resena amin’ny kajikajy maloto sy ny zavatra tsy ara-drariny. Toa katsahina hapetraka sy volena amin’ny sain’ny olona fa hisy filaminana kokoa eto raha Rajoelina no ho filoha, fa raha tsy lany kosa izy dia hanakorontana sy hanao tahaka ny tamin’ny 2009. Tsy misy afaka ny hangina eo anatrehan’ny tsy rariny. Efa mandeha ny dingana samihafa hiadiana amin’ny hosoka toy ny fitoriana, ny fangatahana ny fanamarinana ny bileta sy fampitahana ny vokatra,… fanombohana ny fiarovana ny tena safidim-bahoaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT