Politique

Ravalomanana sy ny FFKM Nihaona nandritra ny ora roa


  • Alakamisy 18 Desambra 2014

Mihazakazaka ny toe-draharaha ! Taorian’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny alatsinainy dia nihaona tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany Antsiranana indray omaly ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy avy ao amin’ny FFKM.

Naharitra ora roa teo ny fifampiresahana. Raha ny angom-baovao azo dia tena resaky ny filoham-piangonana amin’ny maha raiamandreny am-panahy azy ireo sy ny zanany no natao, Atoa Marc Ravalomanana rahateo moa dia zanaky ny FFKM satria mpino Kristianina Fjkm efa hatry ny ela sady filoha mpanampy ao amin’ny mpiandraikitra foiben’ny Fjkm. Tena niasa mangina ireo filoham-piangonana ao amin’ny FFKM ary raha ny fantatra dia velom-bolo tanteraka ny amin’ny hisian’ilay fihaonan’ny filoham-pirenena 5 nifandimby teto ny FFKM ary miasa mafy ho amin’ny fanatanterahana izany. Tanjona, hoy ny loharanom-baovao iray ny hahatanterahan’io fihaonana io mialoha ny 25 desambra, izany hoe avotsotra mialoha ny noely Atoa Marc Ravalomanana satria tsy ho any amin’ny « Amirauté » Antsiranana mihitsy no hanaovana ilay fihaonana fa any amin’ny toeran-kafa mendrika ireo filoha ireo.

 

Raha araka ny tsiliantsofina re dia nandrindra sy nandamina ny fiarovana ireto filoham-piangonana efatra mirahalahy ireto nandritra izao dian’izy ireo tany Antsiranana izao ny Cemgam. Tsy nisy ny olana fa dia nizotra araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra. Ny volana febroary 2009 no nifanatri-tava farany tamin’ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha natao ny dinika fampihavanana teo aminy sy Andry Rajoelina teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola, dinika izay nandamoka moa. Hafa tanteraka ny zava-misy ankehitriny, maro ny zavatra efa niova ary na ny olona koa aza dia efa nalaza fa niova fo tato ho ato izay. Ho fantatra tsy ho ela ny tohin’ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT