Politique

Ravalomanana sy ny ekipany Tsy hanaiky lembenana


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Rehefa nandeha ny fangatahana samihafa, dia namoaka ny voka-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato ny CENI,

 

ary tao anatin’ireny no nahitana tsy fahatomombanana sy toe-javatra heverin’ny olom-pirenena ho fisomparana kandida sy fanodinkodinana voka-pifidianana, izay hirariana mba fahadisoana ara-teknika ihany fa tsy hitombina ny ahiahy. Tany amin’ny fokontany Ambolo Birao fandatsaham-bato salle 2, Kaominina Talata Volonondry, distrikan’Antananarivo Avaradrano, ohatra, dia nahazo vato 186 tamin’ny vato manan-kery 246 ny kandida faha-25 Marc Ravalomanana, izay manome 75,61% kanefa 0% no navoakan’ny CENI. Tetsy amin’ny fokontany Ankadivato II L, tao amin’ny Birao fandatsaham-bato EPP Vohibola 08/A dia nahazo vato 141 ary nitarika lavitra tamin’ny isan-jato azo, saingy 0% kosa no voka-pifidianana navoakan’ny CENI. Hisy fanitsiana avy hatrany ve ireny lesoka ireny rehefa vita ny fanamarihana sa tonga dia havadika any anatin’ny fifanolanana hodinihin’ny HCC ? Aim-pirenena no lalaovina ao anatin’ny fikirakirana voka-pifidianana ka tsy azo ekena mihitsy ny lesoka mety hanova zavatra maro. Misy fiantraikany any amin’ny moraly sy ny toe-tsain’ny olom-pirenena ny tahaka izao, ary mety ho pitik’afo hitarika savorovo eto, raha ny safidim-bahoaka sanatriavin’ny vava no lalaovina. Inoana fa hitondra fanitsiana mikasika ny lesoka sy toe-javatra mety hiteraka ahiahy samihafa ny CENI. Nidina ifotony teny amin’ny foiben’ny CENI teny Alarobia moa ny delegasionina avy amin’ny kandida Marc Ravalomanana dia ny “legal team” misahana ny resaka lalàna sy fifanolanana ara-pifidianana omaly mba hisava ny PV mahakasika ireny voka-pifidianana mampiahiahy ireny. Tsy afa-nandray azy ny Filohan’ny CENI Hery Rakotomanana fa voalaza ho sahirana, ka ny Sekretera mpanatanteraka no nandray. Naneho ny tsy fahafaham-pony ireo delegasionina avy amin’ny KMMR taorian’ny fifampiresahana adiny iray teo ho eo. Hakarina amin’ny sehatra ambony kokoa ny fitoriana na ny “requêtes” mikasika ity raharaha ity. Nampahafantarina ireo mpanara-maso iraisam-pirenena dia ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny Vondrona Afrikanina (UA) ny tsy fahatomombanana. Manamafy ireo mpahay lalàna ao anatin’ny “Legal team” fa tsy hanaiky lembenana eo anatrehan’ireo toe-javatra mampiahiahy sy tsy fetezana arahin’ny fitoriana mikasika izany, izay hampahafantarina hatrany amin’ny fampahalalam-baovao. Maniry fiaraha-miasa sy fomba fiasa mangarahara amin’ny CENI mba hampisinda ny ahiahy tsy hihavanana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT