Politique

Ravalomanana sy ny ekipany Nametraka fitoriana 150 isa


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Tonga nametraka ny fitoriana samihafa mifandraika amin’ny fifidianana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny “Legal team” na ireo vondrona mpahay lalàna akaiky ny kandida laharana-25 Marc Ravalomanana omaly.

 

 

 Miisa 150 eo ny fitoriana napetraka, izay mifandraika amin’ny lesoka sy toe-javatra sokajiana ho mamohehitra na tsy fetezana tamin’ny fifidianana natao ny 7 novambra lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny fitoriana natao ny fanafoanana voka-pifidianana tamina toerana sy famerenana ny vato nofoanana ihany koa. Nanaraka hatrany ny fenitra voafaritry ny lalàna ny mpiara-dia amin’ny kandida Marc Ravalomanana na nisy fotoana aza nisy ny karazana fampiakaram-peo sy ny adihevitra samihafa satria anisan’ny lasibatra ny kandida 25 toy ny tamin’ny fikirakirana ny vokatra izay nisian’ny fifamadihan’ny isa azo tamina kandida hafa ohatra. Nijery sy nanara-maso izay heverina ho lesoka sy zavatra tsy mangarahara nahafahana nanitsy izay azo nahitsy teo no ho eo ary mitondra izany any amin’ny fahefana mahefa avoavo kokoa raha tsy voalamina teo no ho eo. Vao nanomboka rahateo ny resaka rehetra mikasika ny fifidianana dia efa niomana sy ny asa ireo vondrona mpitsara nijery akaiky ireo lafin-javatra samihafa azo hiadivana eo anatrehan’ny lalàna, izay zon’ny kandida sy ny olom-pirenena tsirairay nanefa ny adidiny tamin’ny fifidianana ny nametraka fitoriana, izay marihina fa tapitra omaly tamin’ny 12 ora alina ny fe-potoana farany nofaritan’ny lalàna nahafahana nametraka izany. Handinika ny fitoriana samihafa izany ny HCC, izay manana 9 andro farafahabetsany ary hamoaka ny valim-pifidianana ofisialy avy eo. Heverina fa mety hisy fiovana ny antontan’isa sy ny isan-jato azon’ny kandida tsirairay, indrindra ireo heverina hanao ny fihodinana faharoa aorian’ny fandinihana ireo voka-pifidianana tsy azon’ny CENI nokitihina noho ny antony samihafa.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT