Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fandrindrana ankapobeny ny fampielezan-kevitry ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana, izay tarihin’Atoa Serge Zafimahova omaly eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao.
Efa nanome baiko nisintonana ireo fitoriana 208 noheverina hapetraka teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana mahakasika ny fifidianana ho filoham-pirenena ny kandida Marc Ravalomanana na dia mitombina sy mipetrapetraka aza izany. Anisan’ny tao anatin’ny fitoriana ny fangatahana fanintsanana kandida iray raha ny nambaran’ny mpisolovava Hasina Andriamadison tamin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8FM omaly antoandro, izay mety tsy hitondra filaminana raha tanteraka, fa tsara kokoa ny hirosoana amin’ny dingana manaraka amin’ny fifidianana ara-demokratika. Noho ny traikefa ananany sy amin’ny maha olom-panjakana an’i Marc Ravalomanana no antony, izay fanapahan-kevitra mifototra amin’ny fahavononany hikatsaka lalandava fitoniana hiatrehana izao savorovo politika iainantsika izao, hoy ny fanambarana. Mandala ny tontolo milamina sy tony amin’ny fitohizan’ny lamim-pifidianana sy ny fanatanterahana ny fifidianana fihodinana faharoa izay tokony hatao ny 19 desambra izao. Tsy arakakaraky ny fahavononana sy finiavana asehon’ny kandida Marc Ravalomanana mba tsy hisian’ny romoromo anefa ny zava-misy, ka malahelo ny tenany mikasika ny nanjo ireo olona izay mieritreritra na efa manohana azy. Ohatra iray mivaingana azo raisina ny faneriterena sy ny fampitahorana mahazo ny tompon’andraikitra ao anatin’ny orinasa RLM Communication. Manao antso avo mba hanatsaharana haingana izany manoloana ny savorovo politika efa tsinjo izao, hoy ny hafatra. Ho fanajana ny olom-pirenena sy ny safidiny ihany koa, dia miangavy ny rehetra mba hiaraka hametraka ny tena adihevitra milamina amin’ny fitandrovana ny demokrasia eto amin’ny firenena ny kandida Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy. Manao antso avo ho an’ny fitondram-panjakana foibe (Filohan’ny Repoblika mpisolo toerana sy ny governemanta foibe) mba hitandro lalandava ny tsy fiandaniana ary mba hampijanona ireo fombafomba rehetra sy ireo fihantsiana ara-politika amin’ny endriny samihafa ary koa ny fampitahorana isan-karazany atao amin’ireo mpiasa izay manatanteraka ny asany. Niaraha-naheno ny voka-pfidianana tsy ofisialy navoakan’ny CENI mahakasika ny fihodinana voalohany ka mangataka fitoniana sy filaminana izahay eto am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny HCC, ary manao antso avo ho an’ny olom-pirenena rehetra mba hanao toy izany, hoy hatrany ny fanambarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.