Politique

Ravalomanana Marc “Marefo ny fitantanana ny firenena”


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Niatrika ny kongresim-paritra ny antoko Tiako I Madagasikara avy eto Analamanga ny sabotsy lasa teo teny Anosy Avaratra. Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc

 

. Fotoana ihany koa io niresahany fohy tamin’ny mpanao gazety ka nilazany ny heviny momba ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, ny hevitry ny TIM manoloana ny raharaham-pirenena ary ny momba ny MBS.

Tia Tanindrazana (TT) : Aiza ho aiza ny tanjaky ny antoko Tiako i Madagasikara ?

Ravalomanana Marc (RM) : Hitanareo amin’izao. Ny fandaminana sy ny filaminana ary ny fitsipi-pifehezana aloha no fiaingana. Ireo no ahalalana fa matanjaka izy. Misy ny antoko TIM avokoa ireo distrika 119 manerana an’i Madagasikara. Sahiko ny milaza fa matanjaka ny antoko Tiako i Madagasikara.

TT : Ny hevitrao mikasika ny zava-nitranga teny amin’ny Antenimieram-pirenena ?

RM : Efa noresahako fa tsy mendrika ho an’ny Malagasy ny zavatra toy ireny satria tokony ho fakan-tahaka ho an’ny vahoaka Malagasy ny zava-mitranga e. Tena manahirana ny firesahana azy satria mahafantatra sy maheno ny zava-misy izao tontolo izao. Tsy nijanona tao Tsimbazaza ihany ilay izy fa hita ihany koa tany amin’ireny toerana fisakafoanana sy trano filanonana ireny. Tsy sahaza antsika ireny. N’inona n’inona tenenina tsy mendrika ny vahoaka Malagasy ireny. Tsy fanaon’ny olona manana ny maha izy azy ny toy iny zava-tranga iny.

TT : Nandamoka ilay fitsipaham-pitokisana nataon’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara, aiza ho aiza ny toeran’ny antoko TIM eny Tsimbazaza ?

RM : Tsy miova ny fomba fijerin’ny antoko Tiako I Madagasikara eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. N’inon’inona lazain’ny sasany momba ireo solombavambahoaka dia tsy te hahalala izany isika fa antsika ireo, manaraka ny fitsipi-pifehezana ireo dia ny firaisankina. Tsy maintsy arovantsika hatramin’ny farany ireo. Manitsy azy no ataontsika fa tsy isika mihitsy no hanaratsy azy ireo. Rehefa miteny aho hoe tsy anay intsony ireo, hafa indray izay. Ny an’ny hafa aza hahitsy ka vao mainka ny antsika

TT : Midika ve izany andriamatoa filoha fa ho mpanohitra manomboka izao ny TIM ?

RM : Tsy mbola any aloha izao ny resaka. Iarahantsika mahita ny zava-misy sy iainan’ny Malagasy eto amin’ny firenena. Tena marefo ny fitantanana ny raharaham-pirenena ka tsy hanohitra aho satria tsy misy ny toheriko.

TT : Tsy mbola voavaha ny olan’ny orinasa Tiko sy ny haino aman-jery MBS, inona no hataonao ?

RM : Efa nilaza aho hoe tokony hosokafana izy io ary efa natao izay fangatahana tokony ho natao. Ny atao angamba dia ampahafantatra amin’izao tontolo izao sy ireo firenena miaraka amintsika amin’ny alalan’ireo masoivoho ny toe-javatra ny tenako dia hiroso amin’ny dingana manaraka. Efa nambarako fa tsy rariny intsony ny zava-misy satria efa mazava ny voalazan’ny tondrozotra ny mahakasika izany. Rehefa tsy avela hosokafana na homena ny lakile na koa mitohy ny herisetra ara-teknika dia iarahantsika mahita eo ny tohiny.  

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT