Politique

Ravalomanana - Manandafy Atahoran’i Hery Rajaonarimampianina mafy ?


  • Alarobia 19 Novambra 2014

Mijanona ho taratasy tsy misy valiny ny fangatahan’i Manandafy Rakotonirina hitsidika an’i Marc Ravalomanana any amin’ny Amirauté Antsiranana

Tamin’ny 4 novambra 2014 no efa voaray tao an-dapa io taratasin’ny filoha nasionalin’ny antoko MFM io, ary navantana amin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina fa tsy misy valiny. Manamafy izany i Olivier Rakotovazaha, Sekretera jeneralin’ny antoko fa “tsy mbola namaly ny taratasy fangatahana fihaonana amin'ny Filoha Ravalomanana  ny Fitondrana hatramin'izao”. Nisy nanafitsaka ve ny taratasy ka tsy tody any amin’izay tokony hivantanan’ny fangatahana sa misy antony hafa ? Tsiahivina fa Praiminisitra farany notendren’ny filoha Ravalomanana tamin’ny 16 aprimy 2009 i Manandafy Rakotonirina ankoatra ny maha mpikambana feno azy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Atahoran’ny fitondrana sao hanozongozona azy ve ny fihaonan’ny roa tonta sa efa tena olona migadra tsy azo vangiana i Marc Ravalomanana ? Mba hafahafa ihany koa anefa, hoe nisy iny fakan-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM iny, nefa na ireo solontenan’ny ankolafy Ravalomanana tokony handray anjara tamin’izany aza sakanana tsy hifampiera sy hifampidinika amin’ny filohany ny amin’izay hitondrana ny hevitr’izy ireo, ka inona no azo antenaina amin’izany ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT