Manao ranolava ireo mpanao politika, olon-tsotra, mpandraharaha, tompon’andraikitra ambony teo aloha , kandida tsy tafita tamin'ny fihodinana faharoa, nihaona tamin'ny Kandida Marc Ravalomanana teny amin’ny Foiben-toeran’ny K25 eny Bel’Air Ampandrana ny faran’ny herinandro teo.
Anisan’ireny ny kandida laharana faha-14 Eliana Bezaza, ny kandida Fanirisoa Ernaivo (24) izay efa namoaka fanambarana nialoha, ary mbola nanamafy ny teniny. Teo ihany koa ny kandida Radavidson Andriamparany (10), izay nitondra ireo mpiara-dia taloha (2001) toa an’i Yves-Aimé Rakotoarison. Anisan’ireo saika hirotsaka ho filoha ny mpanakanto Ninie Donia saingy nambara fa tsy feno ny antontan-taratasiny, ary nanao fanambarana hanohana an’i Marc Ravalomanana. Namoaka fanambarana lehibe ihany koa ny kandida laharana 26 Imbeh Serge Jovial fa hanohana an’i Marc Ravalomanana. Manampahaizana momba ny toekarena iraisam-pirenena aho ary manana traikefa iraisam-pirenena momba ny “finance internationale”, hoy izy. Nanana andraikitra lehibe tamin’ny “lever des fonds” nampandrosoana sy nanarenana ny firenena maro tao anatin’ny krizy maro, toa an’i Gréce sy Rwanda. Betsaka ny fampanantenana poak’aty ataon’ny sasany fa tsy misy zavatra mafonja akory fa hoentina manao “cinema” sy “effets speciaux” fotsiny. Fanontaniana 3 no hapetrany hahafahany mamaritra fa manana vinam-piarahamonina matotra ny kandida iray. Nisy fiomanana ve ny vina izay hatolotra ? Fomba ahoana no hamatsiam-bola ny vina ? Amin’ny fomba ahoana no hanatontosana azy ireo ? Heveriko fa ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 no mamaly ireo fanontaniana ireo amin’ireo kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa, hoy izy. " Vonona aho amin'ny heriko rehetra ny hanohana sy hanome tanana azy satria tsy havelako hosimbana ny fireneko ary tsy avelako ho eo am-pelatanan’ny olona tsy ampy fahalalana sy fandinihana ny ho avin'ny firenena", hoy hatrany ny tenany. Miantso ireo kandida tao anatin’ny “collectifs des candidats” izy, hifanome tanana satria raha tsy maneho hevitra dia toa midika fa mamela ny ratsy handresy. Andao hanohana an’i Marc Ravalomanana, hoy izy, fa tsy hivarotra firenena izy fa hanorina ny zavatra noravana nanomboka ny taona 2009. Miantso ny vahoaka Malagasy manotolo ihany koa ity kandida vao herotrerony ity hifanome tanana hampandany an’i Marc Ravalomanana.Tazana teny amin’ny foiben-toeran’ny KMMR ihany koa ohatra ry Mamy Ratovomalala, minisitra tamin’ny fitondran’i Didier Ratsiraka sy tamin’ny tetezamita, Rtoa Voanalaroy solombavambahoakan’i Brickaville ary efa minisitra nandritra ny fitondrana HVM. Heverina fa mbola ho sesilany ny fanambarana ho fanohanana an’i Marc Ravalomanana avy amin’ireo kandida tsy tafakatra amin’ny fihodinana faharoa sy antoko politika ary fikambanana maro satria maro ireo efa re siosio saingy andrasana ny fanambarana ofisialy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.