Nahazo salan’isa 35, 29% ny kandida Marc Ravalomanana. Io no vokatra vonjimaika navoakan'ny Ceni Madagascar. Isaorana isika vahoaka nametraka fitokisana tamin'i Dada, hoy ny hafatra nataony.
Na maro be aza ny lesoka tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany tamin'ny 7 novambra lasa teo iny, dia ankasitrahana feno ny fitoniana sy ny fihetsika feno fahamendrehana nasehontsika vahoaka Malagasy. Mpirahalahy mianala, manamafy ny fifampitokisana misy eo amintsika, indrindra tamin'ny fijoroana tamin'ny fiarovana ny safidintsika. Dingana manaraka ny fiomanana amin'ny fihodinana faharoa ka dia alao hery ry vahoaka Malagasy tia fandrosoana, hoy izy izay manamafy hatrany an’ilay hoe: “mpanangana isika fa tsy mpandrava”. Tany amin'ny faritra Alaotra Mangoro izy ny andron’ny sabotsy lasa teo. Nisaotra ireo rehetra nifidy azy tany an-toerana sy ireo rehetra namita adidy tamin'ny firenena ny 7 novambra teo. Mankasitraka amin'ny fanohananareo ahy sy ny ho fiarahantsika miasa hatrany, hoy izy. Tany an-toerana moa no nampahafantarana voalohany ny K25 izay hitambaran’ny rehetra vonon-kampandresy azy na antoko, na fikambanana, na olon-tsotra,… izay efa sesilany sahady amin’izao ny fahavononan’ny rehetra. Manokatra varavarana ho an’ireo izay te hanohana azy ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana amin’ny fiomanana sy fiatrehana ny fihodinana faharoa satria izy dia ho filohan’ny Malagasy rehetra fa tsy ho an’antokon’olona vitsivitsy fotsiny, hoy kosa ny Talen’ny Fampielezan-kevitra Rabenja Tsehenoarisoa taorian’ny famohanan’ny CENI ny vokatra vonjimaika. « Tsy nisy « surprise » ny voka-pifidianana fa araka ny efa navoakan’ny CENI, tsy nisy nahazo ny antsasa-manila ny kandida fa miroso ho amin’ny fihodinana faharoa. Miverina ny « caution »’n’ireo kandida roa tafakatra ary izy ireo ihany ; mihoatra ny 7% ny vato fotsy sy ny vato maty ka tokony hojerena akaiky. Efa vonona tanteraka izahay hiatrika ny fihodinana faharoa ary manao antso ho an’ny olona rehetra mba ho tonga hifidy. Izahay dia efa vonona amin’ny paikady rehetra hiatrehana ny fihodinana faharoa, hoy kosa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.