Manetsika ny mpomba azy sy ireo mpanohana azy na ny eto an-toerana na ny any ivelany ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana.
Fantatra izao fa nandao an’i Madagskara izy ka hihazo an’i Eoropa. Anisan’ny hotsidihany ny any Frantsa. Hisy ny fihaonana hotanterahana ny sabotsy 29 septambra tolakandro ao amin’ny Le Savigny Le Temple, ka hanasana ny Malagasy rehetra mila Ravinahitra any Eoropa hampandany an’i Dada ho filoham-pirenena. Fotoana iray ihany koa io hitondrana ny fanampiana izay efa tena andrasan’ny olona fatratra ny fotoana hanatanterahana azy satria iaraha-malahalala fa tsy afaka mifidy ny Malagasy mpila ravinahitra na dia mampidi-bola be ho an’ny firenena aza. Mety ho vaovao ity fomba fiasa iray fanangonam-bola amin’ny olona ity saingy efa tahaka izany avokoa ny zava-misy any amin’ireo firenena tena mampihatra marina ny demokrasia sy manaja ny mangarahara amin’ny resaka famatsiam-bolan’ny antoko na kandida. Hita ho efa tena manana tombon-dalana lavitra amin’ity fanentanana ny mpiara-dia aminy hifanome tanana aminy ity Atoa Marc Ravalomanana satria efa tena mazava fa niomana marina ny ho kandida sy ho filoham-pirenena izy. Mametraka mazava fa ilaina ny fifanomezan-tanana sy fifanampiana ary atao ao anatin’ny mangarahara izany. Lavitr’ilay fomba fanao mahazatra ny mpanao politika amin’ny mizara vola sy fitaovana etsy sy eroa ao anatin’ny fotoana voafetra ihany ny kandida laharana faha 25 ary efa hatry ny ela no nandresy lahatra ny rehetra fa tsy maintsy samy mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana ny firenena ny tsirairay fa tsy zatra an’io toloram-potsiny, fomba ratsy itaizan’ny mpanao politika sasany ny vahoaka Malagasy efa an-taonany maro io. Tsy maintsy hisy ny adihevitra, izay tsy mahagaga rehefa misy ny fomba fiasa vaovao ampiharina, saingy manomboka maharesy lahatra kokoa ny olona ilay paikady ampiasain-dRavalomanana, izay mifantoka kokoa amin’ny asa fa tsy lany andro amin’ny sehoseho ivelany tsy maharitra akory. Efa lasa lavitra ny kandida laharana faha 25 ary ny latsa-bato sisa andrasany. Hivoaka mandritra ny fampielezan-kevitra ny andinindininy momba ilay fandaharanasa MAP 2, hanarenana sy hampandrosoana ny firenena… Tetikasa goavana tsy resaka nofinofy ambony latabatra fotsiny, fa azo tanterahana ary azo antoka ny hahazoana famatsiambola ho azy. Ny mpanaratsy sy ny mpanatsatso moa dia efa mazava ny asany, saingy maro ny olona na teratany io na vahiny tena resy lahatra hoe i Dadavalo no manana ny lakile hanavotana an’i Madagasikara amin’izao fahasahiranana misy azy izao. Efa hatramin’ny 2009 izy no nanambara fa misy ny zavatra ahitsy sy amboarina ary tsy maintsy miverina amin’ny fitantanana ny firenena mba hanohizana ireo asa efa natao nandritra ny 8 taona. Dada rehefa miteny dia manatanteraka, tonga izao ny fotoana ary hampiseho indray mandeha indray amin’ny Malagasy izy fa azo atao tsara ny manavotra ity firenena ity ao anatin’ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitra.
RTT sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.