Ny fahorian’ny sasany, hafalian’ny hafa ! Toa tanteraka tokoa io oha-pitenenana io manoloana ity raharaha Marc Ravalomanana ity. Raha tsy sasatry ny mitaky ny hamotsorana ny filoha Marc Ravalomanana ny fianakaviany sy ireo mpomba azy dia zary fidiram-bola vaovaon’ny Karana sy ny Frantsay ity fitazonana azy any Antsiranana ity
. Ny alatsinainy 13 oktobra 2014, andro nisamboran’ny zandarin’ny GSIS azy tao an-tranony teny Faravohitra dia fiara “minibus fourgon” an’ny Karana no nitondran’izy ireo azy niala teny. Teny an-dalana indray dia nafindra tamina fiara 4x4 ana mpandraharaha vahiny mpivarotra fiarakodia, nihazo ny lalam-pirenena faha-4 iny. Avy eo naterina tamin’ny helikoptera hatrany Antsiranana. Namangy ny filoha Ravalomanana tany Antsiranana ny fianakaviany ny zoma 17 oktobra. Ny fanjakana no nanome fiaramanidina manokana an’ny Henri Fraise nanatitra azy ireo tany Antsiranana. Afaka nandevina ny anabaviny taty Antananarivo Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny alahady 26 oktobra teo. Fiaramanidina manokan’ny GS Aviation, izay karana no tompony no nalain’ny fitondrana nitondrana azy teto an-drenivohitra sy nitondrana azy niverina any Antsiranana, nandalo tao Nosy-Be. Hatramin’ny fotoana nigiazana ny filoha Ravalomanana any Antsiranana dia ny hotely Colbert no voalaza fa mikarakara ny sakafony. Ohatrinona ny vola mivoaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’izany ? Sa asa fanasoavana avokoa ireny ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.