Hifantoka tanteraka any amin’ny fifidianana ny sain’ny maro ary efa samy maminavina izay hibata ny fandresena. Somary hita taratra ao anatin’ity fifidianana ity ny endriny tamin’ny taona
2013 satria samy tao an-damosina kandida nanao ny fihodinana faharoa ny kandida roa lehibe sokajiana ho matanjaka dia i Marc Ravalomanana tamin’izany fotoana izany. Ny endriky ny fampielezan-kevitra no tsy nitovy satria raha nanao izay faraheriny nampandany an’i Hery Rajaonarimampianina i Andry Rajoelina dia tsy mba afaka nanao izany kosa i Marc Ravalomanana izay nanome toromarika ny hanoanana an’i Jean Louis Robinson fa tany an-tsesitany tany Afrika Atsimo. Raha hiverenana ny voka-pifidianana fihodinana voalohany, dia 21,16% no azon’i Jean Louis Robinson ary 15,89% kosa ny an-dRajaonarimampianina. Nandresy tamin’ny isa 53,49% i Hery Rajaonarimampianina, ary 46,51% ho an’ny iray. Tsy mitovy amin’izany intsony izao satria samy afaka nirotsaka ireo mpitondra roa nifanesy, izay nifanenjika tao anatin’ny raharaha 2009. Tratry ny “ni…ni…” tamin’ny 2013, ary tsy nifandanja ny an-daniny sy ny an-kilany satria ny iray tsy navela nody an-tanindrazana nanao fampielezan-kevitra, raha toa ka nalalaka sy nanao izay faraheriny ny iray, ary lasa mpifanandrina amin’ny olona notohanany amin’izao fotoana izao. Azo antoka ho azon’ny an-daniny koa ny vahoakany, izay nomena toromarika hanohana olon-kafa, ary tombanana hitombo be ny mpanohana azy satria efa izy tenany no kandida ary efa nanao propagandy ho an’ny tenany, fa tsy hoe nosakanana tsy hiditra an-tanindrazana tahaka ny fifidianana tany aloha. Hotsarain’ny vahoaka amin’ny tantara ireo kandida roa dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ary ireo kandida hafa mifaninana ato anatin’ity fifidianana ity. Eo no tena hitsaran’ny Malagasy izay tena mety amin’ny firenena satria efa samy hita ny nafitsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.