Antsirabe no anisan’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara tena mandroso eo amin’ny sehatra rehetra nandritra ny fito taona (2002-2009) nitondran’ny kandidà Ravalomanana Marc, laharana faha-25 ao amin’ny biletà tokana.
Ben’ny tanàna tamin’izany Ramalason Olga, izay tena nampandroso ny tanàna, indrindra ny fotodrafitrasa. Raha ny lalana no resahina dia misongadina ny lalam-pirenena fahafito (RN7), miala eny Vatofotsy (izay nohalebiazina hatreo amin’ny Lycée Resampa André) hatrany Mandaniresaka vita tara, ny “Avenue de l’Indépendance” miala eo amin’ny garan-damasinina hatreny amin’ny « Hôtel des Thermes » miampy ireo seza vato eny anelanelan’ny voninkazo, ireo lalana manodidina an’Antsenakely, ny lalana mihazo an’Andranomafana mipaka ao Avaratsena Asabotsy, ny lalana mihazo an’i Mahazoarivo vita tara sy ireo lalankely vita rarivato (pavés) ao amin’ity faribohitra ity, ny lalana mandeha any amin’ny Ranovisy miala ao amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy FIFIMAVA izay vita rarivato,… Simba, feno lavaka (nids de poule) ny ankamaroan’ireo lalana ireo ary totofana vato kely ireny lavaka ireny tato anatin’ny roa vola izao. Nahorina tamin’izany ihany koa ny CSB II eo Atsinanantsena Asabotsy,... Fanirin’ny mponina ao Antsirabe ny hamerenana ireo fotodrafitrasa ireo amin’ny toetrany tany amin’ny folo taona lasa. Manizingizina ny mponina fa ny kandida laharana faha-25 ihany no hahavita izany satria nanangana ary mbola hanangana izy fa tsy mpandrava. I Marc Ravalomanana rahateo dia nilaza fa tanànany i Vakinankaratra, fantany ny fampandrosoana sy ny filan’ny vahoaka, ary aza manontany basy amin’ny Anglisy, hoy izy manoloana ny filazan’ny hafa fa efa lasan’izy ireo i Vakinankaratra. Tsy maintsy miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny Malagasy eo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy ary hamonoany tena ny fanavotana ny Firenena, hoy kosa Ravalomanana. Tsy maintsy hataony izay hihinanan’ny vahoaka Malagasy sakafo. Any Irak, Ethiopie, Afganistan dia mahazo 2 dolara isan’andro ka nahoana ny Malagasy no tsy mba hahazo, hoy izy. Hain’i Dada ny mifampiraharaha amin’izany. Tsy maintsy hamorona asa ho an’ny tanora eto Antsirabe. Hisokatra ny herinandro manaraka ny orinasa “Feed Mill” ary efa misokatra ny MBS mari-drefy 95.4 FM. Ho an’ny tantsaha, dia haverina ny fandaharan’asa PSDR (Programme Sectoriel du Dévéloppement Rural).
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.